• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

ZDS Ikopa - Adieu aux armes : Misotro ronono ny Jeneraly Saifoudine Nandrasana Hassanaly

20/04/2023 20:09 © Moov.Mg

36 taona no teo ambany faneva ny Jeneraly Saifoudine Nandrasana Hassanaly. Notanterahina androany 20 aprily 2023 ny "adieu aux dearmes", anaovam-beloma azy izay hiroso amin'ny fisotroan-dronono. Izy moa no nitarika ny Kaomandin'ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa.

Tontosa soa aman-tsara teny amin'ny Toby Jeneraly Ismaël Mounibou Ivato (Premier Bataillon Parachutiste) ny famindram-pahefana amin'ny fibaikoana ny Kaomandin'ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa (Zone de Défense et Sécurité Ikopa). Nahavita ny adidy ho an'ny Tanindrazana teo anivon’ny Foloalindahy nandritra ny 36 taona ny Jeneraly Saifoudine Nandrasana Hassanaly. Nisafo farany ny andian-tafika notarihiny izy androany maraina. Araka izany, noraisin'ny mpibaiko vaovao ny faneva. Tsy iza izany fa ny General de Brigade Razafy Andrianavony Ratsisetrainarivo.
Nanamafy ny avy eo anivon'ny Tafika Malagasy fa ho hentitra ny mpitandro ny filaminana amin'ny fitandrovana ny fandriam-pahalemana, indrindra fa amin'izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo