• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Tafika anabakabaka : Nahazo angidimby hiaka farany, Airbus H130

20/04/2023 20:40 © Moov.Mg

Natolotry ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Filohalindahy Malagasy angidimby Airbus H130. Androany 20 aprily 2023 no nanatanterahana ny lanonana, teny amin'ny Toby Ismaël Mounibou Ivato (Premier Bataillon Parachutiste).

Ampiasaina amin'ny asa ho an'ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ataon'ny Tafika ity angidimby raitra ity. Ahafahana mamita iraka toy ny fitaterana ireo marary sy hiadiana amin’ny loza toy ny doro tanety ihany koa izy. Mahazaka olona 7 sy entana hatramin’ny 980kg ity angidim-by ity raha lanja anatiny, fa 1,5T kosa raha lanja ivelany. Notontosaina teny amin’ny Premier Bataillon Parachutiste Ivato ny sidina voalohany (vol inaugural). Natao "baptême de l'air" moa ilay angidimby, ka tonga teny an-toerana ireo fiaraben'ny mpamonjy voina nanampy tamin'ny fanatanterahana izany.
Betsaka ny ady tsy maintsy hatrehana sy ny fanatsarana tsy maintsy atao, hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, tamin'ny lahateniny. Tsiahivina fa tena nanampy ny vahoaka malagasy ny fananan'ny tafika angidimny tamin'ny vanim-potoanan'ny Covid-19 sy ireo rivo-doza nandravarava teto amin'ny firenena.

Notronin'ireo manam-noninahitra maro ny lanonana androany.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo