• Cours de change
  • 4752.43 AR
  • |
  • $4416.21 AR
Copyright Image : © Algérie360
Image
Vaovao

Aïd-el-Fitr : Fifampizarana hafaliana amin'ireo sahirana

21/04/2023 06:37 © Moov.Mg

Ny ankamaroan'ireo "Mosquée" sy fikambanana silamo dia mizara sakafo ho an'ireo sahirana androany. Ny fiahiana ireo tsy manana mantsy dia anisan'ny teboka lehibe tsy afa-misaraka amin'ny faran'ny ramadano.

Tsarovana manokana ny nampisehoana voalohany tamin'ny Mpaminany Mohammed ny CORAN.

Androany izany no androtsahan'izy ireo ny "Zakar al Fitr". Tsy inona izany fa "rakitra" arotsaky ny loham-pianakaviana andraisana anjara amin'ny fiahiana ireo sahirana. "Obligatoire" na tsy maintsy atao io rakitra io, mba tsy haha-very maina ny fifadian-kanina sy ny vavaka natao.

Tapitra izany ny "volana fifadian-kanina" ao amin'ny kalandrie Islamika, ho an'ireo mpanara-dia ny finoana Silamo. Tsiahivina fa ny Ramadan dia volana voatahy, sady natao angataham-pitahiana manokana, amin'ny alalan'ny fifehezan-tena amin'ny sakafo sy ny fampitomboana ny oram-bavaka.

Eto Madagasikara, andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny Aïd-el-Fitr. Voakasik'izany tsy fiasana izany avokoa na ireo mpino silamo na ireo mpino amin'ny finoana hafa. Azo atao tsara ny miombom-po amin'ireo mpanaraka ny finoana islamika amin'ny alalan'ny fanaovana asa soa amin'ireo mahantra manodidina ny tena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo