• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Tetik'Asa Ankizy Krismasy ( TAK) : Ankizy Malagasy 3 tapitrisa nahazo fanomezana nandritra ny 20 taona

21/04/2023 23:40 © Moov.Mg

Notontosaina androany 21 aprily 2023 ny fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny Tetik'Asa Ankizy Krismasy (TAK) teto Madagasikara, teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina.

Tamin'ny fanokafana ny fankalazana androany, ankizy miisa 20.000 no nozaraina ireo fanomezana "shoesbox" avy amin'ny Samaritan’s Purse. Tao anatin'izay 20 taona izay kosa, mihoatra ny 3 tapitrisa ireo ankizy Malagasy efa nahazo fanomezana.
Anisan'ny fiaraha-miasan'ny Fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana izao tetikasa izao ny fanafoanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny famoahana ireo fanomezana ireo. Nanambara ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa zava-dehibe ny fisian’ny tetikasa manasoa ny mpiara-belona tahaka itony ary ilaina tokoa, hoy hatrany izy, ny fanabeazana ireo ankizy ao anatin’ny finoana ankoatran'ny fianarana ankapobe efa azon'ireo eny an-tsekoly.
Tsiahivina fa efa 30 taona no nisian'ny Samaritan’s Purse maneran-tany. Ho an'i Madagasikara, mitohy hatrany ny fizarana ireo fanomezana ireo manerana ireo Faritra 23.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo