• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Fiarovam-Pirenena
Image
Vaovao

Analalava : Sambo roa tsy manara-dalàna tratra nanjono an-tsokosoko

25/04/2023 01:58 © Moov.Mg

Tra-tehaky ny ekipan’ny Tafika Andranomasina ny sambo mpanjono miisa roa tsy ara-dalàna. Nandritra ny fisafoana ny fari-dranomasina Avaratra Andrefan’i Madagasikara moa no nahatratrarana ireto mpanjono nandika lalàna ireto.

Fanararaotana sy tsy fanarahan-dalàna

Sambo mpitatitra olona ny iray tamin’ireto tratra nanjono ireto, araka ny tatitry ny “Agence Portuaire Maritime et Fluviale" (APMF) ao Analalava. Mampitohy an’Analalava sy Befotaka ilay zotran-dranomasina. Araka izany, tsy manana alalana velively amin’ny fanjonoana ilay sambo. Ny iray kosa dia tsy manana alalana ara-dalàna saingy tsy nampahafantatra ny fiaingany mialoha ny handehanany manjono.
Miatrika fanadihadiana ao Nosy-Be Hell-Ville ireo tatsambo. Ireo sambo nampiasaina kosa dia nampidirina ambalam-pamonjana mandra-pivoakan’ny didy mikasika ity raharaha ity.

Fitrandrahana voafehin’ny lalàna

Tsiahivina fa anisan'ireo harem-pirenena ireo hazan-dranomasina amin'ireo fari-dranomasin'i Madagasikara. Araka izany, tsy maintsy manana alalana avokoa ireo sambo mpanjono. Voafaritra amin'izany fanomezan-dalana izany ny karazana trondro jonoina. Misy mantsy ireo harena an-dranomasina arovana no tsy azo trandrahina na dia manana alalana aza.
Ho an’ireo manana alalana hanjono kosa dia tsy maintsy mampahafantatra ny APMF isaky ny fiaingana hanjono. Voakasik’izany fampilazana ny APMF izany ihany koa ireo mpitatitra olona sy entana. Izany mantsy no antoka ahafantarana ireo mpifamezivezy rehetra eny an-dranomasina.
Ny Tafika Andranomasina dia manentana mandrakariva ireo mpisehatra eny amin'ny ranomasina mba hanaraka ny lalàna mifehy ny fitrandrahana sy ny fifezivezena an-dranomasina mba hampirindra ny fitrandrahana harena an-dranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo