• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Richard Rakotoarimanana
Image
Vaovao

Very tetsy Androndra : Tany Toamasina vao hita ilay Starex

14/05/2023 22:50 © Midi Madagasikara

Iray andro taorian’ny nanjavonany tetsy Androndra, hita tany Toamasina ilay fiara. Raha hiverenana dia nipetraka teo amin’ny parking an’ny toeram-pamarotan-tsolika ny fiara mitondra Starex iray. Gaga ny tompony raha handeha haka izany fa efa tsy teo amin’ny toerany intsony.

Nanomboka teo no nanao antso avo tamin’ny tambajotran-tserasera izy ny mba hanampian’ny olona sendra mahita ilay fiara ka hampandre azy. Nampahafantarina ny zava-nisy koa ny mpitandro ny filaminana. Iray andro taorian’izay, nahitam-bokany izay rehetra natao.

Olon-tsotra no nampandre fa nahita fiara mitovy tanteraka tamin’ny sary naparitaka ary mifandraika amin’izany koa ny laharan’ny fiara. Rehefa tena nojerena dia tena ilay izy tokoa. Saingy efa nihatona satria efa niala ny kodiarana efatra. Izany hoe ny haka ny piesiny angamba no tena tanjon’ireo olon-dratsy. Na koa, azo eritreretina fa rehefa nanomboka niparitaka be ny fifampizaram-baovao teo amin’ny mpiantsehatry ny tambajotra sosialy ary koa rehefa nihamafy ny fikarohan’ny mpitandro ny filaminana. Napetraka fotsiny teo amin’ny sisin-dàlana dia nesorina izay azo nesorina. Izay raha araka ny fanazavàna azo momba ity raharaha ity. Mbola mandeha rahateo ny fanadihadiana ankehitriny.

Isan’ny fiara betsaka mpitady ankehitriny ny fiara marika koreana noho ny vidiny mba azo hiriranana. Ireny marika Starex ireny indrindra indrindra dia lasa mitobaka eo amin’ny tsenam-barotry ny fiara efa niasa. Mora amidy ary be mpitady. Dia lasa mifanaraka amin’izay koa ny fivoaran’ny asaratsy : manintona ny mpangalatra fiara. Azo heverina fa efa misy tambajotra mpitily fotsiny itony fiara itony indray.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo