• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Kianjan'ny Hiragasy : Afaka herinandro vitsy dia handray fampisehoana

15/05/2023 12:10 © Moov.Mg

Tsy ho ela intsony dia afaka hisitraka fampisehoana Hiragasy isan-kerinandro ny eto Antananarivo Renivohitra. Mandroso an-tsakany sy an-davany mantsy ny asa fanamboarana etsy amin'ny Kianjan'ny Hiragasy, aorian'ny Tranombokim-pirenena Anosy.

Fotodrafitr'asa maharitra

Afaka herinandro vitsivitsy dia afaka handray seho Hiragasy ny kianja voatokana amin'izany etsy Anosy. Tsy lefy laza tokoa ny Hiragasy na dia mangingina aza eto an-drenivohitra. Hiverina amin'ny lazany izany ka afaka hihaino tononkira mifono anatra sy kanto amin'ny alalan'ny zava-maneno gasigasy indray ny rehetra.
Ampahatsiahivina fa sambany teo amin’ny tantaran’ny Hira Gasy no hisy fotodrafitrasa manokana manaraka ny fenitra aorin'ny fanjakana sy tantanin'ny fanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Kianja izay hisy ihany koa ny biraon'ny Federasion'ny mpanao hira gasy sy trano fiomanan'ny mpanao hira gasy.
Ho an'ireo mpanao hiragasy maimaim-poana ny fampiasana azy fa fandraisan'anjara entina mikojakoja (frais d'entretien) mba hateza ny kianja iombonana no hany mila fandraisana anjara.

Vakoka miavaka sady tahirizina

Anisan'ny mampiavaka an'i Madagasikara ny Hiragasy raha kolontsaina no resaka. Efa nametraka antontan-taratasy moa ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina ny amin'ny ampiadirana azy ho anisan'ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona (patrimoine immatériel de l’Humanité) an'ny UNESCO. Ny volana aprily taona 2022 no notanterahina izany fangatahana izany.
Amin'ny ankapobeny dia eo anelanelan'ny iray ka hatramin'ny telo taona eo ho eo no handinihan'ny komity tekinika eo anivon'ny UNESCO ny antontan-taratasy. Mialohan'ny faran'ity taona 2023 ity no tokony hivoaka ny fanapahan-kevitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo