• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Lehilahy hita faty nodorana tetsy Andavamamba : Tovolahy 17 sy vehivavy 22 taona no tompon’antoka

16/05/2023 19:52 © Moov.Mg

Lehilahy 42 taona no hita faty kila forehitra teny amin’ny fako akaiky ny lakan-drano eny Andavamamba ny 29 aprily lasa teo. Tratra ireo olona ahiana ho tompon’antoka tamin’izao famonoana olona mahatsiravina izao.

Tovolahy 17 sy vehivavy 22 taona

Tanora vao herotrerony tokoa ireo ahiahiana ho nahavanona izao famonoana olona izay nampihorokoditra ny rehetra izao. Tovolahy vao 17 taona sy vehivavy 22 taona no fantatra fa tompon’antoka tamin’ity tranga iray ity.
Araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny polisim-pirenena dia olana ara-pitiavana sy ara-bola no fototr’izao famonoana izao. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa olon-tian’ilay maty ity vehivavy 22 taona ity ary efa niaraka nandritra ny 2 taona mahery izy ireo. Tao anatin’izany firahana izany dia nanofa trano ho an’ity vehivavy ity tao Andavamamba ilay lehilahy. Nisy anefa ny olana taty aoriana ka tonga tamin’izao vono olona izao.

Niaiky ny helony

Rehefa nandeha ny fikarohana dia tratra tany Ambatondrazaka ireto olona roa voaroiroy ireto. Toerana izay nandosiran’izy ireo taorian’ny fanaovana ny asa ratsiny. Rehefa nofotorona izy ireo dia niaiky ny helony fa niara-namono ilay lehilahy hita faty tetsy Andavamamba.
Araka ny tatitra nataon’ny polisy hatrany dia nisy olana teo amin’ilay vehivavy sy ilay lehilahy novonoiny io satria tsy nahaloha ilay hofan-trano intsony ity farany taty aoriana. Nanomboka niaraka tamin’ny olona hafa, izay tsy iza fa ilay tovolahy 17 taona, ilay vehivavy rehefa nitohy ny tsy fifankahazoana. Marihina fa tsy fantatr’ilay lehilahy novonoina ny fiarahan’ireto farany.
« Tovolahy 17 taona mpianatra hanala bacc no sipan'ilay vehivavy. Nitsiry ny hevi-dratsin'ilay vehivavy fa hovonoiny ilay lehilahy ka mila ny fanampian'ilay tovolahy 17 sipany izy . » raha ny nambaran’ny avy eo ami’ny polisim-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo