• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Fisolokiana amin’ny resaka varotra tany : Olona 10 no voasambotra

17/05/2023 18:14 © Moov.Mg

Miseho amin’ny endrika maro isan-karazany ankehitriny ny fisolokiana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia resaka varotra tany no nisehoany.

Tany 27 hekitara ho zaraina

Taorin’ny fahenoan’ny teo anivon’ny zandary misahana ny fikarohana ny heloka bevava Fiadanana Antananarivo, ny fisian’ny olona milaza hizara tany dia nanatanteraka fanadihadiana izy ireo. Araka ny fikarohana natao dia nanangana fikambanana mitondra ny anarana FI.LE.FA na Fikambanana Leo Fahantrana ireo milaza mahita tany ho zaraina ireo. Ary efa vita fanambarana ara-panjakana mihitsy moa ny fijoroan’ity fikambanana ity.
Taorian’ny angombaovao izay nataon’ny zandary dia fantatra fa tany mirefy 27 hektara no nampanantenain’io fikambanana io fa ho zaraina. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia fantatra fa tsy misy akory io tany io. Ireo mpikambana anefa efa nilaza fa hizara tany ary efa niroso tamin’ny fanangonana ny kara-panondron’ireo olona izay liana mihitsy.
Ho an’ireo olona izay voasoloky koa nanome karatra ny fikambanana FI.LE.FA dia afaka maka izany eny amin’ny Section des recherches criminelles Fiadanana Antananarivo.

Natolotra ny fitsarana

Olona manodidina ny 3760, avy amin’ny faritra Ivato, Paraky ary Andoharanofotsy no voakasik’izao asa fandrebirebena sy fisolokiana izao. Ary mahatratra 41.360.000 ariary eo ho eo ny tomban’ny vola voasolokin’izy ireo.
Natao ny fikarohana ary tratra ireo olona 10 heverina ho tompon’antoka tamin’izao fisolokiana izao, ary natolotra ny fitsarana omaly izy ireo. Efa nampidirina amponja vonjimaika ihany koa ireto farany mandrapiandry ny andron’ny fitsarana. Mbola misy anefa ireo olona hafa izay ahiana ho tompon’antoka am’ity raharaha ity izay mbola karohina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo