• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ambohitrimanjaka : Jiolahy nikasa hanafika, maty voatifitra

19/05/2023 11:53 © Midi Madagasikara

Lavon’ny zandary, raha teo am-pandosirana saika hamaky trano iny, i Mainty, ny marainan’ny alarobia lasa teo, jiolahy raindahiny ikoizana amin’ny resaka fanafihana sy vaky trano teny amin’iny faritra Ambohitrimanjaka sy ny manodidina iny. Anaty fitampitadiavana kosa ireo namany hafa tafatsoaka.

Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo dia tokantrano iray teo Anielitsara, ao amin’ny fokontanin’i Miadana, no saika niharan’ny fanafihana mitam-piadiana. Tokony ho tany ho any amin’ny iray ora maraina tany mantsy no nahazo antso vonjy ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitrimanjaka, izay teny am-panaovana fisafoana. Nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voalaza ireto mpitandro filaminana ary nahita tokoa ireto andian’olona efa teo am-pihanihana ilay tambohon’ilay trano. Ireto farany kosa raha vao nahatazana ireo zandary dia nanao tari-dositra avy hatrany. Raikitra ny fifanenjehana. Nalefa ny fampitandremana saingy tsy noraharahain’ireo olon-dratsy. Voatery nitifitra ny zandary ka nahavoa ny anankiray tamin’izy ireo, izay namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy. Tafaporitsaka kosa ireo ambiny.

Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahafantarana fa olon-dratsy efa ela nokarohina sy gadralava ary nampitondra faisana olona maro teny an-toerana ity maty ity. Tamin’ny fotoana nisavana ny sakaosy teny aminy moa no nahitana fanalahidy maromaro sy fonosan-drongony. Nanao saron-tava ihany koa ny lehilahy tamin’io fotoana io ary manao fanamiana mitovy amin’ny an’ny miaramila.

Efa mandeha moa, raha ny fantatra, ny fanadihadiana entina mikaroka ireo namany, nanao io asa ratsy tamin’ny alina io. Ny vatana mangatsiakan’i Mainty kosa, nentina nihazo ny tranom-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha. Marihina fa tsy mbola nahavita ny asa ratsiny akory izy ireo tamin’io fotoana io, noho ny fahakingan’ireo zandary, tonga ara-potoana teny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo