• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Miandrivazo : Talen-tsekoly nahabevohoka mpianatra

08/04/2024 09:17 © Midi Madagasikara

Tany amin’ny kaominina ambanivohitra, ao amin’ny fokontany antsoina hoe Antsondrika no nitranga ilay herisetra ara-nofo.

Nosamborina ilay talen-tsekoly rehefa nitondra vohoka ny zazavavy iray 14 taona ka voarohirohy fa itsy voalohany no rain-jaza. Tokony haka ny marim-pahaizana CEPE io mpianatra io, izany hoe ao amin’ny kilasy fahafito. Rehefa nanomboka hita ny kibo dia notereny hanala zaza ilay…zaza.

Teo no nandeha ny feo satria tsy takona afenina intsony. Rehefa nisy ny fitoriana dia nosamborin’ny mpitandro ny filaminana ilay tompon’andraikitry ny sekoly. Mbola mitohy ny fanadihadiana azy ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela. Raha voaporofo tanteraka izany ny fanamelohana ity rangahy ity dia ahiana ho mafy ny sazy miandry azy satria mikaonty koa ny maha-mpanabe azy. Tsy mety tapitra mihitsy ny mahakasika ny fanolanana eto amin’ny firenena na dia efa nohamafisina faran’izay mafy aza ny lalàna momba izany. Saika isan’andro dia handrenesana hatrany vaovao mahakasika ny herisetara ara-nofo. Tamin’ny faran’ny heriandro teo dia fantatra koa fa nisy zazavavikely fito taona izay nalaina an-keriny dia naolana tao amin’ny kaominina ambanivohitr’I Mananjary, tao amin’ny fokontany antsoina hoe Andonabe. Mbola niharan’ny herisetra mafy io zaza io nialohan’ny fanolanana azy. Nofatorana tady ny tendany ary noratraina ny vatany. Efa eny amin’ny hopitaly izy manaraka fitsaboana ary mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza amin’izao fotoana izao. Raha hiverenana kely ny momba ny lalàna momba ny fanolànana, miandry ny didy fampiharana avy amin’ny governemanta sisa dia mihatra avy hatrany amin’izay ny famosirana sy ny famonjàna. Efa lany teny amin’ny antenimiera roa tonta ny lalàna ary efa neken’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenena na dia nisy nahitsy kely aza.

Azo heverina fa tsy ho ela intsony izany dia tsy ho resabe intsony ny fampiharana ny voalaza ary eo angamba vao tena hino sy hanintsy ny diany ireo mikasa ny mbola hanao ratsy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo