• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Zolobe
Image
Vaovao

Marché des Arts du Spectacle Africain : Mpiangaly kanto miisa 5 no hisolo tena an’i Madagasikara

08/04/2024 10:13 © Moov.Mg

Mpanakanto amin’ny sehatra isan-karazany miisa 5 no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny Marché des Arts du Spectacle Africain (MASA) any Abidjan ny 13 aprily hatramin’ny 20 aprily ho avy izao.

Hetsika goavana aty Afrika

Hetsika isan’ny goavana indrindra aty Afrika, eo amin’ny sehatry ny zavakanto ny MASA. Tamin’ny taona 1990 no niforonany, nandritra ny ny fihaonamben’ireo minisitry ny kolontsaina miteny frantsay, notontosaina tany Liège Belzika. Ny taona 1993 kosa no nanatanterahana ny andiany voalohany, tany Abijan. Nosoniavina tamin’ny taona 1999 ny fifanarahana teo amin’ny MASA sy ny governemanta Ivoarianina, fa any Côte d’Ivoire no apetraka ny foiben’ity hetsika ity. Isaky ny roa taona no anatanterahana ny MASA ary endrika kanto isan-karazany no asehon’ireo artista mandritra izany, toy ny angano, ny tantara tsangana, ny mozika, ny « slam », ny « marionnette », ny dihy… Misy ihany koa ny famelabelaran-kevitra, ny fampiofanana sy ny fifampizarana isan-karazany manodidina ny zavakanto aty Afrika.

Tarika mpandray anjara 67 isa

Amin’ity andiany faha-13 amin’ny MASA ity dia tarika mpiangaly ny kanto miisa 5 no misolo tena an’i Madagasikara. Ao amin’ny sokajy tantara tsangana no ahitana ny Compagnie Miangaly Théâtre, izay hitondra an-tsehatra ilay angano nosoratan’i Jean Luc Raharimanana mitondra ny lohateny hoe : "L'enfant et le tambour de nuit", ary narindran'i Fela Razafiarison, talen'ny Compagnie Miangaly Théâtre. Eo amin’ny sokajy dihy, hitondra an-tsehatra ny fampisehoana mitondra ny lohateny hoe : « H’omba » ny Compagnie Up the Rap. Eo amin’ny sokajy « slam », voafidy handray anjara i Hichim, na i Abdoulanlim Abdillah, avy ao Kaomoro, izay efa mpandresy tamin’ny fifaninanana nasiônaly momba ny « slam » teto Madagasikara. « Chaise vide 19 » no lohatenin’ny sangan’asany. Ny Compagnie Zolobe no mpandray anjara malagasy ao anatin’ny sokajy « spéctacles de rue », amin’ny alalan’ny fampisehoana mitondra ny lohatey hoe : « Sakasaka ». Ny tarika Masabao kosa no hisolo tena ny nosintsika eo amin’ny sehatry ny mozika. Tarika miisa 67 no handray anjara amin’ny MASA amin’ity taona ity, avy amin’ny firenena 22 isa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo