• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Ird
Image
Vaovao

Fifidianana Depiote : Minisitra 7 amperin'asa no nilatsaka ho fidiana

08/04/2024 15:57 © Moov

Androany 8 aprily no andro farany amin'ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Maromaro ireo kandida nisafidy ity daty ity vao nanantona ny OVEC.

Ireo antoko mpanohitra sy ireo tsy miankina no tena nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana mialoha. Nanomboka ny faran'ny herinandro lasa teo vao niseho ireo kandidà nahazo tsodrano tamin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ireo antoko politika mpanohana azy. Nisy mihitsy ireo androany alatsinainy vao nametraka ny antontan-taratasy.
Miisa 7 ireo minisitra amperin'asa no efa kandida amin'ny fifidianana depiote :
-Augustin Andriamananoro, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, kandida eto Antananarivo, Boriborintany voalohany ;
-Haingo Elisette Fomendraza, Minisitry ny Mponina, kandida any amin'ny faritra Amoron'i Mania, Ambositra ;
-Lalatiana Rakotondrazafy, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak'asa, kandida any Vakinankaratra, Faratsiho ;
-Marie Michelle Sahondrarimalala, Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, kandida any Fianarantsoa, faritra Matsiahatra Ambony ;
-Justin Tokely, Minisitry ny Atitany, kandida ao Sambava ;
-Dr Andriamanantena Razafiharison, minisitry ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa, kandida ao Ampanihy ;
-Andre Haja Resampa, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, kandida ao Morondava.

Anisan'ireo mpanohana ny fitondrana hirotsaka ho fidiana ho depiote ihany koa i Soafilira Princia, minisitry ny Mponina teo aloha. Hisolo vava ny vahoakan'Analalava ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo