• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Rohim-pihariana maitso : Mahomby ny fanodinana lohamenaka amin’ny herin’ny masoandro

08/04/2024 16:18 © Moov.Mg

Nifarana androany ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy tany amin’ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Isan’ny nisongadina indrindra ny fitsidihany ny ozinina fanodinana lohamenaka tao Matsiatra Ambony.

Mila angovo betsaka

Mampiavaka ity fotodrafitrasa fanodinana lohamenaka ao amin’ny kaominina Androy Distrikan’i Lalangina ity, ny fampiasana ny herin’ny masoandro. Angovo madio, araka izany no miasa, ka mametraka rohim-pihariana maitso sy maharitra eny ifotony. Araka ny fantatra dia tena manimba ny ala ny fanamboarana lohamenaka, satria mila angovo betsaka ny fanodinana ny zava-maniry hisintonana izany lohamenaka izany. Ity ozinina kely tantanan’ny kaoperativa Filantsoa ao amin’ny Kaominina Androy ity, izay ivondronana fikambanana miisa 7, dia nisitraka tohana avy amin’ny Fandaharanasan'ny Firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana (PNUD) sy fiaraha-miasa tamin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ka nahazo izao fotodrafitrasa izao. Nanatsara ny fiainan’ny mpikambana eo anivon’ny koperativa izao fampiasana ny angovo avy amin’ny masoandro izao, hoy Ramarolahy Raymond, filohan’ny koperativa Filantsoa. Rehefa napetraka mantsy ity fotodrafitrasa ity dia voaaro ny tontolo iainana, raha toa ka nirona tany amin’ny fandripahana ala izy ireo taloha. Malaky be koa ny fitanehana ny menaka amin’ny lalambika mandeha amin’ny herin’ny masoandro, hoy hatrany izy.

Misoroka ny fandripahana ala

Mahavita mitanika lohamenaka betsaka kokoa ny koperativa Filantsoa ankehitriny, satria mahahodina lohamenaka 4,5 litatra isan’andro izy ireo, raha toa 3 litatra ihany, rehefa kitay no ampiasaina. Kitay 1,5 metatra tora-telo, na fototra hazo manana savaivo 10 cm miisa 60 isan’andro, no ilaina amin’izany, raha toa ka mampiasa kitay amin’ny fitanehana, hoy ny fanazavana. Araka izany, tombontsoa betsaka ho an’ny ala izao fampiasana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro izao. Maodely ity tetikasa ity, satria mahomby amin’ny fiarovana ny ala sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eny ifotony, hoy ny minisitra, Fontaine Max Andonirina, izay nanamafy ihany koa fa tafiditra tanteraka ao anatin’ny andry faharoan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izao, dia ny fampiroboroboana ny indostria. Kininim-potsy sy oliva, géranium, veromanitra, ravintsara, romarin, tagète ary dingadingana moa no ahodin’izy ireo ho lasa lohamenaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo