• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao misongadina ny 8 hatramin'ny 14 aprily 2024

15/04/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ny songadim-baovao nandritra ny herinandro lasa teo, nanomboka ny 8 hatramin'ny 14 aprily 2024.

Governemanta # Tatitry ny 100 andro

Samy nanao tatitra mikasika ireo asa vita nandritra ny 100 andro voalohany nandraisany ny toerany ny minisitra tsirairay. Voakasik'izany na ireo Minisitra nametraka antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho depiote asa. Amin'ny ankapobeny, nilaza fa nahatratra ny tanjona napetraka avokoa ny ministera tsirairay. Ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny fiofanana arak'asa ohatra dia nisongadina tamin'ny fanomezana fiofanana maimaimpoana ho an'ireo tanora eto Antananarivo sy any amin'ny faritra. Ny ministeran'ny varotra indray dia nanasongadina ny fampitaovana eny ifotony (ODOF) sy ny fanaraha-maso tsy tapaka ny vidy sy ny kalitaon'ny entana eny an-tsena.

CUA # Mitohy ny fandraisana ny haban-tsena

Nametraka fitoriana mikasika ny fiverenanan'ny fitantanana ny tsena amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Mpanolotsaina Lalatiana Ravololomanana. Na nandresy aza ny tenany, mbola mijanona amin'ny Kaominina ny fandraisana ny haban-tsena mivantana mandra-pivoakan'ny didy raikitra. Efa nisy rahateo ny Naoty navoakan'ny SMGD mikasika ny famerenana ny fitantanana ny tsena amin'ny Kaominina.
Tsara ny manamarika fa mitondra filaminana eo anivon'ny Kaominina ny fandraisana ny haban-tsena satria hahafahana mandoa ny karaman'ny mpiasa ara-potoana sy hanatanterahana ireo asa goavana toy ny fandraofana ny fako.

Fanjifana # Nihena ny fanafarana entana

3 087,4 milliara ariary no sandan'ny entana nafarana tao anatin'ny 2 volana voalohany tamin'ity taona 2024 ity, araka ny tatitry ny Fadintseranana Malagasy. Azo lazaina fa nihena izany noho ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny. Ny fanafody, ny piesina fiara, ny sakafo ary ny angovo no tena hafaran'i Madagasikara. I Moyen-Orient, Chine, Europe, Inde sy Pakistan, Afrika, Japon, Corée moa no tena hanafaran'ny Malagasy entana. Ireo mpandraharaha no manafatra entana, indrindra ireo mpamongady.

Fahadiovana # Etanina manokana ireo mpianatra

Sekoly maromaro no efa nisitraka fanentanana mikasika ny Fehezam-pitsipika monisipaly mahakasika ny fikoloam-pahasalamana (CMH) tontosain'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ireo ankizy sy tanora any amin'ny EPP sy ny CEG ary ny Lycée no tena entanina, satria any no tena ampitana fahalalana sy fahendrena, ny amin'ny fanajanaa fahad ny fahadiovana sy ireo fitsipika isan-karazany. Naverina ohatra ny fampahatsiahivana ny ora fanariana fako, dia amin'ny 4 ora hariva hatramin'ny 8 ora alina.

Fandraharahana # Pole Stage Madagascar

𝖳𝖺𝗇𝗈𝗋𝖺 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗆𝗂𝗂𝗌𝖺 𝟥𝟤 𝖺𝗏𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖨𝖭𝖯𝖥, 𝟤𝟨 𝖺𝗏𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖠𝖢𝖤𝖤𝖬, 𝟥𝟤 𝖺𝗏𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖤𝖲𝖯𝖠, 𝟤𝟪 𝖺𝗏𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖨𝖭𝖨𝖥𝖱𝖠 𝖺𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝖨𝖲𝖢𝖠𝖬 𝗇𝖺𝗇𝖽𝖾𝖿𝖺 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺 𝟣. Mikasika ny kolontsaina mpandraharaha no novelabelarin'ny manam-pahaizana 𝖾𝗈 𝖺𝗇𝗂v𝗈𝗇’𝗇𝗒 𝖥𝗈𝗂𝖻𝖾𝗆-𝗉𝗂𝗍𝗈𝗇𝖽𝗋𝖺𝗇𝖺 𝗆𝗂𝗌𝖺𝗁𝖺𝗇𝖺 𝗇𝗒 𝖿𝖺𝗆𝗉𝗂𝗋𝗈𝖻𝗈𝗋𝗈𝖻𝗈𝖺𝗇𝖺 𝗇𝗒 𝖿𝖺𝗇𝖽𝗋𝖺𝗁𝖺𝗋𝖺𝗁𝖺𝗇𝖺 (𝖣𝖯𝖤) ao amin'ny ministeran'ny Varotra.
𝖥𝗂𝗈𝖿𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗆𝗂𝖺𝗅𝗈𝗁𝖺 𝗇𝗒 𝖿𝗂𝗓𝖺𝗋𝖺𝗇’𝖺𝗌𝖺 𝖾𝗇𝗒 𝖺𝗇𝗂𝗏𝗈𝗇’𝗇𝗒 𝗈𝗋𝗂𝗇𝖺𝗌𝖺 𝗇𝗈 𝗇𝗈𝗆𝖾𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗍𝗈 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗍𝗈. 𝖭𝖺𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗋𝗂𝗇𝖺 𝗂𝗓𝗒 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗁𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝗍𝗈𝗇𝖽𝗋𝖺𝗇-𝗍𝖾𝗇𝖺 𝗍𝗌𝖺𝗋𝖺 𝗋𝖾𝗁𝖾𝖿𝖺 𝗍𝗈𝗇𝗀𝖺 𝖾𝗇𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇'𝗇𝗒 𝗈𝗋𝗂𝗇𝖺𝗌𝖺. 𝖠𝗈 𝖺𝗇𝖺𝗍𝗂𝗇'𝗂𝗓𝖺𝗇𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝖾𝗍𝗒 𝗁𝗂𝗌𝗂𝖺𝗇’𝗇𝗒 𝖿𝗂𝖿𝖺𝗇𝖺𝗋𝖺𝗁𝖺𝗇𝖺 𝖺𝗋𝖺𝗄’𝖺𝗌𝖺. 𝖭𝖺𝗆𝗉𝖺𝗁𝖺𝖿𝖺𝗇𝗍𝖺𝗋𝗂𝗇𝖺 𝗄𝗈𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗄𝖺𝗋𝖺𝗓𝖺𝗇𝖺 𝗈𝗋𝗂𝗇𝖺𝗌𝖺 𝗆𝗂𝗌𝗒 𝗌𝗒 𝗇𝗒 𝖿𝖺𝗁𝖺𝗅𝖺𝗅𝖺̀𝗇𝖺 𝗍𝗈𝗄𝗈𝗇𝗒 𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺𝗇'𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗁𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇𝗒 𝖺𝗇𝗒 𝖺𝗆𝗂𝗇’𝗇𝗒 𝖿𝗂𝗓𝖺𝗋𝖺𝗇’𝖺𝗌𝖺.

Ekonomia # Salon International des Transports

Notontosaina ny 11 hatramin'ny 14 aprily teny amin'ny Parc des Expos Tanjombato ny Salon International des Transports, de la Logistique et de la Manutention. Nahatratra 108 ny isan'ireo tranoeva, izay avy amin'ny firenena miisa enina. Hita teny an-toerana ireo mpisehatra amin'ny fitaterana : an-dalambe, an'habakabaka, an-dranomasina sy an-dalamby. Maro ireo nivarotra fiara, ka anisan'ireo niavaka ny Karenjy (fiara vita malagasy) sy ireo kodiarana efatra elektrika (tsy mila solika). Tsy vitsy ireo mpisehatra no manana tolotra mikasika ny fitaterana, toy ny fampanofana fiara, ny fanaterana entana, ny famandrihana fitaovam-pitaterana amin'ny alalan'ny "application", ny fanaraha-maso ny toerana misy ny fiara amin'ny fotoana rehetra (GPS), sns.

Fombandrazana # Taombaovao Alahamady 2024

Ny Alarobia 10 aprily lasa teo no nankalazana ny ivon'ny Taombaovao Alahamady 2024. Vohitra maromaro no nankalazana azy ka anisan'izany ny teny Anosimanjaka, Antehiroka, Ambohimanga, Ambatofahavalo ary Itaosy. Manaraka ny fomba fanisana andro arabo moa ireo mpandala ny fomban-drazana, ka izany no mampifanojo ny Taombaovao Alahamady sy ny faran'ny ramadano. Marobe ireo liana amin'ny kolontsaina Malagasy no somary zendana ny amin'ny hoe inona marina no daty fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Ilay tamin'ny volana marsa moa dia fanisana andro nanaraka ny kalandrie gregoriana.

Sarimihetsika # Fahafatesan'i Emmanuel Malok'ila

Ny marainan'ny Alarobia 10 aprily lasa teo no nindaosin'ny fahafatesana i Andriamahefa Emmanuel, fantatra tamin'ny anarana hoe "Ingahy Emmanuel" tamin'ny Sarimihetsika Malagasy Malok'ila. 63 taona izy izao nodimandry izao ary efa naharitra 2 taona teo ho eo ny nilazoan'ny aretina azy. "Tsy misy mahasolo i Emmanuel, raha jerena ny fomba filalaony" hoy Tsarafara na Rajao. Ny sabotsy 13 aprily no nanitrihana ny nofomangatsiakany tany amin'ny fasan-drazany tany Ambohimpanja Ilafy.

Iavoloha # Dinika niarahana tamin'ny sehatra tsy miankina

Nihaona tamin'ireo mpisehatra tsy miankina ny filohampirena Andry Rajoelina, ny zoma 12 aprily, teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha. Mpirahalahy mianala amin'ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara mantsy ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Nisy ny fifanakalozana mba hahafahana manangana tontolo vaovao eto Madagasikara. Nihaino ireo tompon'andraikitra ny filoham-pirenena mikasika ireo olana, fangatahana na soson-kevitra mikasika ny orinasa tsy miankina. Hitohy ny fifandinihana, ary ho tanterahina isaky ny 2 volana izany.

Namontana # Hotelin-jazakely ao Namontana

Vita soa aman-tsara ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Hotelinjazakely eny Madera Namontana. Ireo zaza 6 volana hatramin'ny 2 taona no tena hahazo tombony amin'izany. Misy sakafo isan-karazany ho an'ny zaza sy ankizy ny hôtely, sady misy toerana filalaovana sy fakan'aina ihany koa. Misy toerana hahafahan'ny reny mampinono ihany koa. Tafiditra ao anatin'ny ady amin'ny tsifanjariantsakafo izao tetikasan'ny orinasa Nutri'zaza sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, notohanan'ny AFD. 4 izany izao ny isan'ireo Hotelin-jazakely eto Antananarivo renivohitra.

Toamasina # Menaka hosoka tratra tao Tanambao I

Nahatratrarana menaka hosoka tao Tanambao I. Menaka "Hina" izay vokarin'ny orinasa malagasy "Hita" moa ireto tratehaka ireto. Tsikaritra tamin'izany fa efa niasa na ny tavoahangy na ny "étiquette" fa nodiovina tsara fotsiny, ary nezahina naraikitra tsara ny sarony. 7 000 ariary no nivarotan'ireo mpaka tahaka ny menaka iray litatra eny amin'ireo mpanamboatra, ary amidy amin'ny vidiny mahazatra avy eo ho an'ireo mpaka tombony. Rehefa natao ny fizahana ilay menaka dia hita fa tsy manara-penitra izany, ary tena mankarary. Efa maro moa ireo nitaraina ny amin'ny fiovan'ny menaka "Hita" ka izany indrindra no nanokafana fanadihadihana.

Mahajanga # Fanafoanana ny fako

Voalohany i Madagasikara no nankalaza ny Andro iraisam-pirenena amin'ny fanafoanana ny fako. I Mahajanga, Faritra Boeny, no nandray ny lanonana noho izy voasokajy ho toerana madio indrindra eto Madagasikara. Nanotrona ny fotoana tany an-toerana ny Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, Fidiniavo Ravokatra. Nampahatsiahiviny fa ilaina ny mametraka ny fako amin'ny toerana voatokana. Azo atao ihany koa ny mitrandraka ny fako amin'ny alalan'ny "recyclage". Maro ohatra ireo mpanao asa tanana no mahavita kojakoja sy fanaka avy amin'ireo entana tsy ampiasaina intsony. Nisy moa ny fanadiovana faobe niarahana tamin'ireo mponina tao Amborovy.

Avaratra # Efa miverina tsikelikely ny fifamoivozana

Maromaro ireo lalana tapaka noho ny takaitra navelan'ny rivodoza Gamane. Nohon'ny fandrosoan'ny asa fanamboarana tontosain'ny ministeran'ny Asa Vaventy, ny zoma 12 aprily lasa teo no niverina nisokatra ny RNS 5A, mampifandray an’Ambilobe sy Vohemar. Vita ny fanarenana ny tetezana teo Manakolana, Maromokotra, ary Tenanimadiro. Efa miroso ihany koa ny asa fanarenana ny RN6. Afaka roa herinandro eo ho eo dia hiverina tanteraka ny fahazoana mivezivezy amin'ireo lalana simban'ny rivodoza any amin'ny faritra avaratry ny nosy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo