• Cours de change
  • 4762.39 AR
  • |
  • $4451.54 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Aretina mamany lava : Azo sitranina, nefa 50.000 isa ny vehivavy malagasy mbola miaina miaraka aminy

23/05/2024 15:17 © Moov.Mg

Sady azo sorohina no azo tsaboina ny aretina mamany lava (fistule obstétricale). Raha ny antontan’isa anefa dia tsy niova firy teto amintsika, tao anatin’ny taon amaro, fa mbola betsaka hatrany ireo vehivavy mizaka ity aretina ity.

Faharovitana ao amin’ny lalan-jaza

Raha ny tombana dia misy vehivavy any ho any amin’ny 50.000 isa, tratran’ny aretina mamany lava eto Madagasikara. 4 000 isa isan-taona kosa ny trangan’aretina vaovao. Raha tsiahivina dia aretina mety mahazo ny vehivavy ny mamany lava, raha toa izy ka misedra fihetsehan-jaza ela loatra. Mitarika faharovitana ao amin’ny lalan-jaza ny fijanonan’ilay zaza ela loatra ao anaty lalan-jaza, hany ka mitarika faharovitan’ny tatavia, na ny tranona maloto. Manjary lasa misy lavaka mampifandray ny tatavia sy ny fivaviana, na ny tranona maloto sy ny fivaviana. Vokatr’izay dia lasa mikoriana ho azy tsy tana intsony ny fivalanan-drano na ny fivalanana ary any amin’ny fivaviana no mivoaka, fa tsy any amin’ny lavaka tokony andehanany. Miteraka voka-dratsy maro izany, ka ny voalohany indrindra dia ny fahafatesan’ilay zaza eo am-pahaterahana. Manaraka izany, tratran’ny fanilikilihana ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava, satria miteraka fofona, hany ka isintahan’ny fiarahamonina izy ary mazàna no ilaozan’ny vadiny. Mety hiteraka aretina hafa, toy ny aretin’ny voa ihany koa izy io ary mety mahatonga fikorontanan-tsaina sy fahaketrahana eo amin’ny vehivavy voany.

Olan’ny fahasalamam-bahoaka

Araka ireo, tena olan’ny fahasalamam-bahoaka aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana ny aretina mamany lava. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia ireo firenena mahantra, manana taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana ambony, no tena ahitana betsaka ny vehivavy tratran’ny aretina mamany lava. Raha fehezina dia karazana fahatarana 3 no mahatonga ny aretina : ny fahataran’ny fandraisana fanapahan-kevitra hamonjy toeram-pitsaboana ho an’ny vehivavy hiteraka ; ny fahataran’ny fitaovam-pitaterana mitondra ireo vehivavy manatona tobim-pahasalamana, noho ny halaviran-toerana, ny faharatsian-dalana, ny tsy fisiana… ; ny fahataran’ny fandraisana an-tanana ireo vehivavy rehefa tonga eny anivon’ny tobim-pahasalamana, satria tsy ampy ny mpiasan’ny fahasalamana, tsy ampy ny fitaovana sy ny fanafody… Isan’ny antony mahatonga azy ihany koa ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy, ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy, izay mitarika fitondrana vohoka aloha loatra, ary koa ny tsy fahalalana sy ny tahotra.

Ady ho an’ny fahavelomana

Azo sitranina amin’ny alalan’ny fandidiana ny aretina mamany lava. Maimaimpoana ny fanatanterahana izany sy ny fanafody, ho an'ireo raisana an-tànana eny anivon'ny toeram-pitsaboana maro eto Madagasikara. Ankoatra izay, mbola iantohana ihany koa ny sakafon’ny marary sy ny mpanaraka azy, mandritra ny fijanonany ao amin'ny hôpitaly. Etsy an-daniny, misy ny praograma famerenana indray ireo vehivavy ho eo anivon’ny fiarahamonina indray, iarahana miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Amin’ity andro iraisam-pirenena ho famongorana ny aretina mamany lava ity, izay marihina isaky ny 23 mey, dia manao antso avo amin’ny herivelona sy ny mpisehatra ara-pahasalamana rehetra ny Tahirin’ny firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA), mba hanamafy ny ezaka efa ataon’izy ireo, ho fanafoanana tanteraka ity aretina ity. Tsy ady ho an’ny fahasalamam-bahoaka ihany izany, hoy ity rantsamangaikan’ny Firenena Mikambana ity, fa ady ho an’ny fahavelomana mihitsy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo