Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 23 hatramin'ny 29 desambra 2024
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 23 hatramin'ny alahady 29 desambra.
CENI # Nivoaka ny voka-pifidianana Ben'ny Tanàna vonjimaika
Nitohy hatrany ny famoahan'ny CENI ireo vokatra vonjimaika mikasika ny fifidianana Ben'ny Tanàna farany teo. Saika nanjakan'ny IRMAR avokoa ny renivohi-paritany 6, afa-tsy ny tao Antsiranana. Io antoko naorin'ny filohan'ny Repoblika amperin'asa io no manana Ben'ny Tanàna maro indrindra eto Madagasikara. Raha mitontaly 1 695 ny Ben'ny Tanàna, dia 967 ny IRMAR. Niha-maro ireo tsy miankina voafidy satria miisa 474 izy ireo. 38 kosa no toerana azon'ny TIM.
Ho an'Antananarivo Renivohitra manokana, mbola andrasan'ny maro ny mety ho tohin'ny tantara, indrindra taorian'ny nahitana vokatra "hafa" tamin'ny tranokalan'ny CENI. Hatreto aloha, maneho ny heviny ny amin'ny tsy fanekena ny vokatra vonjimaika ireo mpanohitra, saingy tsy niafara tamin'ny hetsi-bahoaka izany.
CUA # Fampiofanana arak'asa ireo reny tokantena
Reny miisa 150 no nahazo fiofanana tao anatin'ny tetikasa Sandratra, ny 25 novambra hatramin'ny 20 dessambra. Avy amin’ny boriborintany I, IV, III teto ny mpisitraka, izany hoe 50 isaky ny boriborintany.
Tanjona ny fanomezana tantsoroka ho an'ny reny tokantena ara-tsosialy. Fandrafetana tetikasa no natao na "montage de projet citoyen". Tetikasa amin'ny maha olom-pirenena dia natao mba hamahana ireo olana misy isaky ny Fokontany. Ohatra ny fanadiovana ny lakandrano, ny fananana kopia. Nisy koa ny fanentanana natao mba tsy hisian'ny fanilikiliana sy tsy hanjakan'ny fandriampahalemana eny amin’ny fokontany.
CUA # Mitohy hatrany ny Tsenan'ny Noely
Nanomboka ny alatsinainy 16 desambra lasa teo ny Tsenan'ny Noely, ary tsy hifarana raha tsy ny alakamisy 02 janoary 2025. Misy "stands" miisa 100 ao amin'ny kianja Barea Mahamasina, ary 60 ao amin'ny Zaridaina Anosy, izay mampiranty akanjo, asa tanana malagasy ary sakafo. Eny Ambodin'Isotry, ahitana tranoheva 250, kosa ny lamaody isan-karazany : akanjo, kiraro, poketra. Misy tsena ihany koa ny eny Antanimbarinandriana sy Antaninarenina.
Manaja tanteraka ny fandaminana sy ny fahadiovana ireo mpivarotra. Manana sobika sy kifafa izy ireo ka tsy maintsy manadio na maraina na hariva.
SMA # Tsy mora ny manangona ny fako eto Antananarivo Renivohitra
Manangona fako 1600 m³ isan’andro ny "Société Municipale d'Assainissement" (SMA). Manodidina ny 180 ka hatramin'ny 200 isan'andro ny fivezivezena ataon'ireo andiana kamiao miisa 30. Ahitana olona 750 ny ekipa ary miasa tsy an-kijanona mba hiantohana amin'ny asa fandraofana sy fitaterana ny fako.
Mahatratra 10 m³ ny fako hoentin'ny kamiao iray, ary aterina eny amin’ny fanariam-pako Andralanitra ireo fako. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana desambra, dia nisy ny paikady vaovao napetraka, ahafahana manangona fako mirefy 40.663 m³.
Ivato # Nahatratrarana volamena saika naondrana tany Dubaï
Raha tsiahivina, ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, nisy volamena milanja 53,7 kg tra-tehaka tanaty "valise diplomatique". Hatreto aloha, olona miisa 3 no voarohirohy tamin'izao trafikana volamena izao, izay samy nidoboka vonjimaika eny amin'ny Fonjaben'i Tsiafahy. Olon-tsotra ilay nitondra ilay "valise diplomatique". Voalaza kosa fa mpiasan'ny Ministeran'ny Raharahambahiny 2 no voapaingotra miaraka aminy. Misy mpiasam-panjakana iray hafa izay mbola karohana noho ny fisandohana andraikitra. Ny tenany no nanao sonia ny fanomezana alalana tamin'ny nampiasana ilay "valise diplomatique".
Andravoahangy # Itadiavam-bahaolana ny rano mameno ny arabe
Dibo-drano matetika ny eo Andravoahangy na tsy misy orana aza. Voatery mandeha posy ireo mpandeha raha tsy te hanalavi-dalana. Amin'izao vanim-potoan'ny orana izao dia voa maika miakatra sy miandrona ny rano. Maromaro ireo mpivarotra tsy afaka manohy ny asa fivelomany noho ny ranobe eo amin'ny toerana fivarotany. Ny manodidina ny "Rotsirotsy" sy manoloana ny Supermaki Andravoahangy moa no tena voakasiky ny ranobe.
Nisy ny fidinana ifotony notanterahin'ny Ministeran'ny Rano, ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, niaraha tamin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa misy ny "curage" tanterahina amin'ireo fivoahan-drano manodidina, eo am-pitadiavana vahaolana maharitra.
Ambohijatovo # Tena ilaharana ny fijerena jiro
Filaharambe hatrany isan-kariva eny amin'ny Zaridainan'Ambohijatovo. Somebiseby ny olona hijery jiro miavaka izay nandravahana ny toerana. Ny alarobia 25 desambra lasa teo, andron'ny krismasy, dia tonga hatrany Antsakaviro ambony (tafavoaka ny tonelina) ny filaharana. 500 ariary ny vidim-pidirana ka takatry ny rehetra izany. Amin'ny 12 ora alina ihany koa ny fitateram-bahoaka vao mitsahatra. Mbola misokatra ho an'ny rehetra ny Zaridainan'Ambohijatovo, isan-kariva manomboka amin'ny 7 ora, hatramin'ny alahady 5 janoary 2024.
Moramanga # Fisitrahana fotodrafitrasa famatsiana rano
Maromaro ireo ezaka vita noho ny "Forage avec pompe à motricité humaine" nampiharina tao amin'ny faritra Alaotra Mangoro, iaraha-miasa amin'ny AMSA. Izany no natao dia noho ny vina fampisitrahana rano fisotro madio ny daholobe. Fotodrafitrasa 5 àry no noraisina tao amin’ny Kaominina Andasibe, Fokontany Mangarivotra Atsimo sy Avaratra ary Sahavarina. Nisitraka izany fotodrafitrasa izany ihany koa ny Kaominina Morarano Gare dia tao amin’ny Fokontany Sakalava I sy II ary ny Fokontany Mahavoky Mahatakatra. Nahazo ny anjarany ihany koa ny tao Antaralava, kaominina Ambohibary. Ny tanjona dia ny hahazoan'olona miisa hatramin'ny 1 450 rano fisotro madio.
Farafangana # Nisitraka fanampiana ireo traboina
Raha tsiahivina dia nisy firehetana nandrava fananan'olona maro tao Berondra, Kaominina Ambanivohitra Maheriraty, Farafangana. Raha ny tatitra voaray, maherin'ny 50 tafo no kila forehitra, ary saika tsy nisy azo noraisina avokoa ny entana tao anatiny. Nisy araka izany ny fanampiana natokotry ny BNGRC, hahafahan'ireo traboina miaina ara-dalàna na teo aza ny loza nitranga.
Vary 125 lasaka, menaka, vilany, sotro, lovia, sira, seau, moustiquaire, koveta sy zezika no natolotra. Koa satria ankatoky ny fety, izany hoe ny 23 desambra ny fizarana, nisy ny fanolorana biscuits sy vatomamy ho an'ireo traboina.
Maevatanàna # Nahazo fampiofanana ireo voafonja
Nitsidika ny fonjan'i Maevatanàna ny ekipan'ny DRPEB Betsiboka, ny 21 desambra lasa teo. Nanolotra fampiofanana fiompiana trondro maimaimpoana izy ireo tamin'izany. Miisa 30 ireo mpiofana ka ny 25 voafonja ary ny 05 mpiasan'ny fandraharahana ny fonja.
Tafiditra ao anatin'ny fanampiana ireo voafonja izany hetsika izany, mba hahita asa tsara na hanao fivelomana mahomby izy ireo rehefa vita ny sazy. Tsiahivina hatrany fa toeram-panarenana ny fonja, ka imasoana manokana ny fampiomanana ireo voafonja hiverina any amin'ny fiaraha-monina ary hanana fitondrantena mendrika amin'ny hoavy.
Taolagnaro # Nisitraka fitaovam-panjonoana ireo mpanarato
Mahakasika ny ankamaroan'ny mponina ao Analapatsy ny tsifanjariantsakafo, na dia amoron-dranomasina sy manana tany mahavokatra aza ny toerana. Mamely mafy ny haintany ka manimba ireo mpamboly rehetra. Arak’izany dia mila mifototra bebe kokoa amin’ny resaka jono ny olona aty satria na misy na tsy misy ny orana dia misy harena hatrany ny ao anaty ranomasina toy ny oratsimba (langouste), sihely, valahara sy karazan-trondro hafa. Izany indrindra no antony nanolorana fitaovana ho an'ireo mpanarato. Heverina fa hampakatra ny fari-piainan'ireo mpisitraka izany.
Tontolo iainana # Nirongatra ny doro tanety sy ny doro ala tamin'ity taona 2024 ity
Ho an’ity taona 2024 ity dia miisa 74 no voasambotra noho ny resaka doro tanety sy doro ala, araka ny tatitry ny MEDD. Ny 48 tamin’izy ireo dia nampidirina am-ponja avokoa ary misy ny efa misazy hatramin’ny 3 taona an-tranomaizina taorian’ny nanolorana azy ny fitsarana. Misy amin’izy ireo no tratra am-bodiomby ary ny sasany dia tratra taorian’ny fanadihadiana.
Mitohy hatrany moa ny fanentanana mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana izay tontosain'ny MEDD sy ireo mpiara-miasa aminy, na olontsotra, na fikambanana na orinasa. Entanina ihany koa ny besinimaro mba hiara-hiasa amin'ireo tompon'andraikitra, ka hiantso avy hatrany ny laharana maitso 955 raha mahita tranga doro tanety na doro ala.
Fahavaratra # Dibo-drano Antananarivo
Iri-mahaory ny orana, ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Efa ela niandrasana nefa, ka ny takarivan'ny 24 desambra no nilatsaka voalohany ny orana tamin'iny herinandro lasa iny. Niato kely izany ka niverina ny zoma, ary nitohy ny sabotsy sy ny alahady. Omaly alahady 29 desambra no tena betsaka ny rotsak'orana ka marobe ireo faritra iva dibo-drano tanteraka. Ny teny Andravoahangy ohatra, tafakatra hatreny amin'ny lohalika ny rano folo minitra monja taorian'ny nilatsahan'ny orana. Na ireo fiara avo aza dia sahirana namakivaky ny arabe.
Tamin'iny faran'ny herinandro iny, somary nahitana fiakarany sahady ny voankazo sy ny legioma. Lenan'ny orana mantsy ny entana ka mora lo. Efa 2 5000 ariary ny kilaon'ny tongolo tsara mora indrindra, raha mbola 2 000 hatramin'ny 2 200 izany teo aloha.