• Cours de change
  • 5098.36 AR
  • |
  • $4467.72 AR
Copyright Image : © Mnp
Image
Vaovao

Jiro azo avy amin’ny herin’ny masoandro : Tokantrano 60 isa manodidina ny Parc Lokobe no hisitraka izany

18/03/2025 15:28 © Moov.Mg

Nahazo fotodrafitrasa ahafahana mahazo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ny ao amin’ny Fokontany Antafondro any Nosy Be, Faritra DIANA. Vao notokanana izany, ao anatin’ny fitsidihana tanterahin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy any an-toerana, ankehitriny.

Vehivavy injenieran’ny angovo azo havaozina

« Tragnon-jiro », na « Maison Solaire » no anaran’ity fotodrafitrasa ity, izay hahafahan’ireo mponina manodidina ny faritra arovana Lokobe misitraka herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Vehivavy miisa 4, avy amin’ny Fokontany Antafondro sy Ampasimpohy, mpikambana ao amin’ny KOJAMI (Komity Jiro Ampasimpohy) sy KOJAMA (Komity Jiro Antafondro), no nahazo fiofanana avy amin’ny ONG Barefoot College, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Tsiafajavona Ambatolampy, nandritra ny enim-bolana. Niompana tamin’ny fametrahana fitaovana ahafahana mahazo jiro avy amin’ny herin’ny masoandro ny fiofanana norantovin’izy ireo, ka ahafahany mitondra ny anarana injenieran’ny angovo azo havaozina.

Angovo avy amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny isan-tokantrano

Ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, no nitokana ity fotodrafitrasa ity, amin'izao fandalovany any Nosy Be izao. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny fitondram-panjakana, dia ny hananan’ny isan-tokantrano jiro, ity tetikasa ity, ary koa ho fampandraisana andraikitra mivantana ny vehivavy, amin’ny fampandrosoana. Araka ny nambaran’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, tao anatin’ny fandraisam-pitenenany, dia mampiavaka ity tranon-jiro ity ny fitantanan’ny fikambanam-behivavy azy. Mahavita manamboatra fitaovana tsara izy ireo ary afaka mivarotra jiro eo anivon’ny Fokontaniny. Manampy amin’ny fampidiram-bolan’izy ireo izany. Tokantrano manodidina ny 60 isa no misitraka tombontsoa amin’ity « Tragnon-jiro » vaovao ity.

Tsiahivina fa tamin’ny taona 2019 no nahavita fiofanana ireo vehivavy injenieran’ny angovo azo havaozina voalohany teto Madagasikara, ka ny National Barefoot College Madagascar no mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola amin’izany tetikasa izany.

Lire la suite

Articles Similaires