• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Yas
Image
Vaovao

Alefa Madagascar 2025 : Tohanana ireo mpianatra mpitia baolina kitra eny amin’ny EPP & CEG Ambohipo

26/03/2025 14:32 © Moov

Mivondrona ny Team des Héros sy ny Madagascar All Stars, Mpanakanto sy mpanao fanatanjahantena malaza avy any ivelany sy avy eto an-toerana, ka hanatanteraka tetikasa fanasoavana maro.

Sekoly, fiandohan’ireo nofinofy rehetra

Efa manana mpitia baolina kitra sahady ny eo anivon’ny EPP sy ny CEG Ambohipo. Tsy vitsy ihany koa ireo mankafy fanatanjahan-tena samihafa. Izany indrindra no ijerena manokana azy ireo mba tsy ho foana eny an-dalana ny nofinofiny.
"Mahatsiaro ny tenako tamin’ny mbola kely aho mahita anareo eto. Toa sarotra ny dia tamin’izany fotoana izany, nefa tratra ny tanjona. Vavolombelona aho fa azo tanterahina ny nofinofy", hoy Faneva Ima, mpanao baolina kitra malaza, nandritra ny lahateniny. Nisy mantsy ny fitsidihana sekoly notanterahina ny maraina teo, natrehan'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nandritra izany, nisalotra fanamiana fanaovam-baolina kitra ireo mpianatra kilasy faha-7 sy faha-3.
Ny vola rehetra ho azo amin’ny "Match de Gala", ho tontosaina androany 26 marsa tolakandro, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, dia entina hanavaozana ny CEG Ambohipo. Hisy ihany koa ny fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina eo anivon'ny sekoly. Ny Yas Madagascar moa no angady nananana ny tetikasa "Alefa Madagasikara", izay entina hanasoavana ny vahoaka malagasy, indrindra ireo mpianatra.

Fanatanjahantena, mampivelatra ny maha-olona

"Nanao fanatanjahantena aho tamin'ny mbola mpianatra. Arakaraka ny nanaovako izany no nampitombo ny fahaizako sy nampivelatra ny talentako", hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Namporisika araka izany ny Minisitra mpiahy, ny amin'ny hanomezan-danja ny fanatanjahan-tena, na ho an'ireo ankizy kely aza. Nampahatsiahiviny ihany koa fa efa tafiditra ao anaty tetibolan'ny Ministera ny "sport scolaire" amin'ity taona ity.
Tombony lehibe araka izany ny famalian'ireo mpanohana ny antsoantson'ireo ankizy tia fanatanjahantena, na dia tsy mitaraina firy aza izy ireny. Antenaina araka izany fa hisy fiakarany misongadina ny lentam-pahalalana sy ny voka-panadinana eo anivon'ny EPP & CEG Ambohipo.

Tolo-tanana

Nisitraka fanampiana avy amin'ny Vivo Energy ihany koa ny EPP sy ny CEG Ambohipo. Tontosa ny maraina teo ny fitokanana ny asa fanavaozana ny trano famakiam-boky sy ny fanolorana dabilio ho an'ireo mpianatra. Nisy ihany koa moa ny fandokoana sy fanaingoana ny EPP. Heverina fa hampitombo ny fahazotoan'ireo mpianatra sy hampivelatra kokoa ny sain'izy ireo ny fananana fotodrafitr'asa raitra.

Lire la suite

Articles Similaires