Andry Rajoelina : " Mbola maro ny ezaka mila hatao hahazoana ny tena fahaleovantena amin'ny sehatra marolafy"
Andro manan-tantara ho an'ny Malagasy ny datin'ny 29 marsa, izay andro nanombohana ny fitolomana ho amin'ny fahaleovan-tena. Mbola azo lazaina tsy tanteraka manontolo anefa io fahaleovantena io. Manoloana izany indrindra ny antso nataon'ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritra ny fahatsiarovana ireo maherifon'ny firenena teny amin'ny Mausolée Avaratr'Ambohitsaina.
Fahaleovantena ara-tsakafo
Ny fahaleovantena dia tsy teny fotsiny fa tokony hita taratra eny amin'ny fiainana sy ny zavatra hita eny amin'ny fiaraha-monina. Nanamarika ny Filoham-pirenena fa mbola mila ezaka maro mba hahatongavana amin'izany. Isan'ny tena novohiziny tao anatin'ny lahateniny ny mikasika ny fahaleovantena ara-tsakafo. Ity farany ity izay programan'asa lehibe ho an'ny Filoha. Manomboka betsaka ihany koa amin'izao fotoana izao ireo tetikasa entina hanatrarana izany. Ao anatin'izany ny fomba fambolena Pfumvudza, izay entina hampitomboana betsaka kokoa ny voka-bary. Mifandray amin'izany ihany koa ny fanapariahana ny voly vary safiotra manerana ny Nosy.
Mbola manana toerana malalaka rahateo i Madagasikara amin'ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo. Izany no natao mba hialana amin'ny fanafarana entana, indrindra ny vary izay foto-tsakafon'ny Malagasy. Izany hoe, mba hiala amin'ny fiankinan-doha amin'ny any ivelany, izay efa niadian'ireo mpiady tia tanindrazana ireo.
Fahaleovantena ara-ekonomika
Ankoatra izany dia novoiziny ihany koa ny momba ny fampiakarana ny fari-piainan'ny vahoaka malagasy. Ilaina ihany koa ny fahaleovan-tena ara-ekonomika hahafahana mampandroso ny isam-batan'olona sy ny firenena, hoy ny tenany nanazava. Raha tsiahivina mantsy dia miainga amin'ny isam-batan'olona ny fampandrosoana. Misy ny adidy hiraisan'ny rehetra hahatrarana izany. "Ilaina ny firaisan-tsaina, firaisampo, fiaraha-mientana, fa indrindra fiaraha misalahy hiarahana mizotra mankany amin'ny fampandrosoana", hoy hatrany ny tenany. Efa maro moa ireo paikadin'ny fitondrana mba hahaleo tena ara-ekonomika i Madagasikara. Ao anatin'izany ireo fampiofanana maimaimpoana hahafahana mamorona asa isan-karazany.
Marihana fa tsy eny amin'ny Avaratr'Ambohitsaina irery ihany ny fankalazana. Ahitana izany ny isaky ny isaky ny kaominina sy ny faritra samihafa, na any amin'ireo kaominina ambonivohitra na ambanivohitra. Niavaka nefa ny fankalazana tao Moramanga, noho ny fitokanana ny Akany Fiadanantsoa.