• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

30 marsa, Taombaovao Malagasy 2025 : Arahaba nahatratra ny Asaramanitra !

30/03/2025 00:05 © Moov

Ankalazaina androany alahady 30 marsa ny Taombaovao Malagasy 2025. Miarahaba ny Malagasy tsivakivolo nahatratra ny Asaramanitra !

Miha-maro hatrany ireo mpankalaza ny Taombaovao Malagasy, manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Ny takarivan'ny omaly 29 marsa, andro farany tamin'ny taona, nampirapiratra ny lalana noho ny arendrina sy ny tavoahangy tapaka misy afo tsy maty. Tsy ny teto Antananarivo Renivohitra ihany no niara-niombom-po, fa maro ihany koa ireo faritra sy toerana samihafa efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fankalazana, raha tsy hilaza afa-tsy i Tsiroanomandidy sy Toamasina.

Mena sy fotsy

Na omaly na androany, ny loko mena sy fotsy no mariky ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy : lokon'ny sainam-pirenena tamin'ny vanim-potoana faha-Mpanjaka. Ny mena dia lokon'ny Mpanjaka, midika fiandrianana, ary ny fotsy kosa dia manambara ny vahoaka. Hatramin'ny omaly, samy miezaka misalotra fitafiana "gasigasy" avokoa ny rehetra, ka ny akanjo vita amin'ny landy no tena misarika ny maro. Tsy adino ny lamba tafiana sy ny satroka, na ho an'ny lahy na ho an'ny vavy. Tsy vitsy ihany koa ireo manana ambonin'ankanjo misy soratra "Taombaovao Malagasy" na kisary mifandraika amin'izao fankalazana izao.

Tsodrano

Ny tsodrano no tena zava-dehibe indrindra rehefa fiandohan'ny taona toy izao. Ireo ray aman-dreny no manolotra izany. Isaky ny vohitra masina mankalaza ny Taombaovao Malagasy, efa misy tompon'andraikitra manokana manatanteraka tso-drano am-bava sy fafy rano. Ny tanjona dia ny mba ho ambinina sy tsy harofy ny mpanatrika rehetra mandritra ny taona.
Ho an'ny eny amin'ny Rovan'Ambohidrabiby manokana, misy ny Fidiovam-pirenena, mba hiantefa amin'ny mpitondra sy ny vahoaka malagasy manontolo ny tsodrano atolotra. Omaly, efa nisy ny fidiovan'ny tsirairay tamin'ny rano fidiovan'ny Mpanjaka fahiny. Tsy adino ny fidiovana tamin'ny afo, taorian'ny nandrehetana ny Afo Tsy Maty.

Nofonkena mitam-pihavanana

Anisan'ny fomba malagasy mbola mitoetra ny famonoana omby rehefa fety lehibe. Ho an'ny mpankalaza ny Taombaovao Malagasy eny amin'ireo Vohitra Masina, hanatanterahana fanasinana ireo fasan'ireo Mpanjaka sy taranak'Andriana ny ràn'ny omby novonoina. Ifampizarana amin'ny mpanotrona sy eny amin'ny manodidina ny toeram-pankalazana.
Tsy azo adinoina ihany koa ny fihinanana vary amin-dronono tondrahin-tantely. Amin'ny Malagasy mantsy, ny vary no foto-tsakafo ka adika fa fototry ny aina. Ny ronono kosa dia mariky ny fahaterahana, izay mifanandrify amin'ny fiavian'ny taona vaovao. Ny tantely indray dia manambara mamy sy firaisankina.
Ho fiaraha-mifaly, matetika dia hiragasy sy vakodrazana no sitrahin'ireo mpanotrona. Samy manana ny fandaharam-potoany moa ireo vohitra na vondrona mikarakara ny Taombaovao Malagasy, arakaraka ny foto-kevitra ijoroany avy.
Marihana fa tsy ireo manantona Vohitra Masina ihany no mahazo mankalaza ny Taombaovao Malagasy. Entanina ny rehetra mba hanatanteraka fankalazana isan-tokantrano, miaraka amin'ny fianakaviana na namana. Ny tena zava-dehibe dia ny fiaraha-mifaly amin'izao fiandohan'ny taona izao. Amporisihina ny fifamelan-keloka sy ny fidiovana, ho an'ireo mbola tsy nanao izany. Tsara raha samy manadio ny tranony sy ny manodidina azy ny rehetra, mba ho feno filaminana sy fahasoavana ity taona vaovao ity.

Fidiovana sa Alahamadibe ?

Nifanojo tamin'ity taona ity ny "Taombaovao Malagasy Fidiovana" sy ny "Alahamadibe". Na samy taombaovao malagasy aza nefa no resaka, samihafa ny foto-kevitr'ireo fankalazana roa ireo. Tsiahivina fa ny "Taombaovao Malagasy Fidiovana" no fetim-pirenena malagasy teo aloha, tamin'ny vanim-potoan'ny faha-mpanjaka. Amin'ny fiafaran'ny fahavaratra no tena nankalazana azy, na dia novain'ny Mpanjaka Ranavalona III ho volana novambra aza izany noho ny tsingerintaona nahaterahany. Ny Alahamadibe kosa dia finoana, sady miovaova ny daty arakaraka ny fanisan'andro, dia andro mahery nanaovan'ireo mpitazona ny sampin'ny Mpanjaka fety, indrindra tamin'ny andron'Andrianampoinimerina.
Marihana izany fa "Taombaovao Malagasy Fidiovana" ny eny Manjakamiadana, Ambohidrabiby, Marovatana Ambohidratrimo, Kianjan'ny Kanto Mahamasina. "Taombaovao Alahamadibe" kosa no ankalazaina eny Ankazomalaza Ambohimanga, Ambatofahavalo ary Anosimanjaka.

Lire la suite

Articles Similaires