• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Ambassade Du Maroc
Image
Vaovao

Famaranana ny Ramadany : Nanotrona ny « Iftar de la fraternité » ny filoha Andry Rajoelina

31/03/2025 11:18 © Moov.Mg

Tonga nanotrona ny « Iftar de la fraternité » na fanapahana ny fifehezana nokarakarain’ny filàn-kevi-pitantanan’ny Fikambanana Silamo Malagasy (FSM) ny filoha Andry Rajoelina, ny sabotsy 29 martsa 2025, notronon’ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta sy ireo mpitondra Fanjakana isan-tsokajiny.

« Iftar de la fraternité » ho fampiroboroboana ny firaisan-kina

Raha tsorina dia ny fanapahana ny fifehezana (fifadian-kanina) mandritra ny volana Ramadany, no antsoina hoe : Iftar. Rehefa milentika ny masoandro, mandritra ity volana masina ho an’ny mpino Silamo ity, dia miroso amin’ny fihinanana sakafo ireo mpino. Any amin’ny faran’ny Ramadany, amin’ny ankapobenhy, no ikarakaran’ny fikambanana Silamo ny « Iftar de la Fraternité ». Mandritra izany dia asaina hiaraka hisakafo ny olona avy amin’ny fiaviana, finoana, na vondrom-piarahamonina samihafa, ho mariky ny fanapahana ny fifadian-kanina. Tanjona lehibe kendrena amin’izany ny fampiroboroboana ny fifanakalozana, ny fifampizarana ary ny firaisan-kina.

Nanotrona ny « Iftar de la Fraternité » nokarakarain’ny FSM, teny Ambodivona, ny sabotsy 29 martsa lasa teo, ny filoha Andry Rajoelina sy ireo olom-boafidy ary olom-boatendry isan-tsokajiny. Hita teny an-toerana ihany koa ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny finoana hafa sy ireo olom-baventy avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Fiaraha-mientana ho amin’ny fampandrosoana

Nandritra ny fandraisam-pitenany, dia nilaza ny filohan’ny Repoblika fa zava-dehibe ny fifanohanana sy fiarahalahiana ary ny fiaraha-mientana ho amin’ny fampandrosoana. Araka izany, nanamafy izy fa vonona amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fianakaviamben’ny Silamo eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Ankoatra izay dia nidera ireo zava-bita eo amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy tanterahan’ny fikambanana Silamo eto amintsika ny filoha Andry Rajoelina, toy ny fanorenana sekoly, oniversite, ary ny fanampiana ireo sahirana.

Nilaza kosa ny filoha tale jeneralin’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA), Haniphe Akbaraly, fa mitohy mandavan-taona ny ezaka tanterahin’ny fianakaviamben’ny Silamo eto Madagasikara, fa tsy mijanona fotsiny amin’ny fotoanan’ny Ramadany akory.

Ankalazaina androany manerana an’i Madagasikara moa ny Eid Al-Fitr, fety silamo mamarana ny Ramadany, araka ny didim-panjakana laharana faha-2025-005 tamin’ny 7 janoary 2025.

Lire la suite

Articles Similaires