Zandarimariam-pirenena : Niova ho Toby jeneraly Richard Ravalomanana ny anaran’ny Toby eny Ankadilalana
Manomboka izao dia Toby jeneraly Richard Ravalomanana no iantsoana ny Toby Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Antananarivo eny Ankadilalana. Tontosa androany 31 martsa 2025 ny lanonana nitokanana tamin’ny fomba ôfisialy izany fiovan’anarana izany.
Fangatahan’ireo Manamboninahitra misotro ronono
Raha ny fanazavana dia ny fangatahana avy amin’ireo Manamboninahitra efa misotro ronono, no ahafahana manome anarana manokana ireo Toby Fari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena, ary azo ampitondraina ny anaran’ny jeneraly izay mahafeno fepetra ireny Toby ireny, na mbola velona aza io jeneraly io. Araka ny fangatahana laharana faha 238-CIR/4.SE tamin'ny 19 jona 2024, dia anisan’ny mahafeno izany fepetra izany ny jeneraly Ravalomanana Richard, antony nahafahana nanome ny anarany ho an’ny Toby eny Ankadilalana.
Notanterahina androany maraina ny lanonana mifandraika amin’ity dingana lehibe ao anatin’ny tantaran’ny Zandarimariam-pirenena Malagasy ity, natrehin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tsokajiny, sivily sy miaramila. Tsiahivina rahateo fa ny jeneraly Ravalomanana Richard dia mitana ny andraikitry ny filohan’ny Antenimierandoholona ankehitriny.
Nametraka tantara tao amin’ny Toby Ankadilalana
Namafisin’ny kabary nifandimbiasana fa nametraka tantara tao amin’ny Toby Ankadilalana ny jeneraly Ravalomanana Richard. Tao no toerana niasany voalohany ary nisahanany distrika miisa enina. Maro ireo raharaha mafana teto amin’ny firenena, izay izy no namehy azy, araka ny andraikitra napetraka taminy, toy ny raharaha « kung fu » tamin’ny taona 1985, ny krizy pôlitika tamin’ny taona 2009, ny fikomiana miaramila mitam-piadiana niisa 6… raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.
Araka ireo, dia ho fankasitrahana ny zava-bitany teto amin’ny tantaran’ny firenena no antony nanomezana ny anaran’ny jeneraly Ravalomanana Richard ity Toby eny Ankadilalana ity.