• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fianara Reggae Festival : Miditra amin’ny andiany fahafolo amin’ity 2025 ity

07/04/2025 12:12 © Moov

Ho tanterahina ny 18, 19, ary 20 avrily izao ny Fianara Reggae Festival, izay ho atao ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa. Efa miditra amin’ny andiany fahafolo ny hetsika amin’ity taona ity ary maro ny zava-baovao hampiavaka azy. Hianoka ny mozika manakaiky fiaraha-monina ireo mpankafy mandritra ny telo andro.

Hetsika izay karakarain’ny Association Sarondra, fikambanana mpanakanto eo amin’ny gadona « reggae » sy ny Projet Ony, miaraka amin’ny orinasa Yas Madagasikara ary ny Be Bose.

Mpanakanto miisa 13

Hizara telo andro mazava tsara ny fotoana ary hanomboka isaky ny eo ho eo amin’ny 10 ora maraina eo hatramin’ny 12 ora alina ny hetsika rehetra. Mpiangaly ny gadona « reggae » miisa 13 no handray anjara amin’izany. Isan’ny hiavaka amin’ny fiseharana i Mashmanjaka, izay hanokatra ny seho ny andro voalohany. Hiaraka aminy ao anatin’izany ihany koa ny tarika Reggasy. Hitohy amin’ny fiseharan’ireo mpanakanto samihafa izany ny andro faharoa. Ao anatin’izany i Kyalaa sy Kôfa, Zanatary, Krutambull, Kheman Nadz, Jah Roots ary i Blackman Roots Lion. Mpanakanto miisa 5 ihany koa no hamarana ny seho. Ahitana an’i Rayn’Ve, Jah Fazon, Eka Zaho, 6Watt ary i Jam Session.
« Ao anatin’ireo mpanakanto ireo dia ahitana ireo mpikalo « reggae » avy any Maurice sy La Réunion », hoy ny fanazavan’ireo mpikarakara. Hisy fandraisana anjaran’ireo avy ao amin’ny Ital Tunes Sound System.

Andiany faha-10

Hiavaka amin’ny kalitaon’ny sehatra hiseharana sy ny fomba fampisehoana izany ity andiany faha-10 ity. « Miezaka hatrany izahay mampiakatra ny kalitaon’ny seho mba hitazomana ny mpankafy amin’ny Festival. Mety hisy ny fampitana mivantana ny seho ao amin’ny pejy « facebook » ary hisy ihany koa ny efijery goavana (écran géant) hanatsarana ny ho hitan’ny mason’ireo mpankafy », hoy hatrany i Valerie Andriamialison, mpikarakara sady mpiara-manorina ny Fikambanana Sarondra.
Nanamarika ihany koa izy ireo fa ity andiany fahafolo ity no hotanterahina farany ao amin’ny Alliance Française Fianarantsoa. « Hoentina mivelatra amin’ny toerana hafa amin’izay ny hetsika manomboka ny taona ho avy io, raha ny vinavina », hoy hatrany ny fanampim-panazavana.

Lire la suite

Articles Similaires