Fanarenana ny fampianarana : Manao antso avo amin’ny mpisehatra rehetra ny Vovonana Vonjeo ny fampianarana
Mitotongana ny fampianarana amin’ny ankapobeny, hoy ny avy ao amin’ny Vovonana Vonjeo ny fampianarana. Misedra olana samihafa io sehatra io ka izany indrindra no hiantsoan’izy ireo ny mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana na olon-tsotra, hiray feo, hikaro-bahaolana. Hanatanteraka fikaonan-doha isam-paritra ireo mpiantsehatra ireo, ny 15 sy 16 avrily izao ; natao izany mba hanolorana tolo-kevitra sy vahaolana mikasika ny fanabeazana sy ny fampianarana.
Hamahana olana marolafy
Fotoana lehibe entin’ireto mpisehatra ireto hikaroham-bahaolana amin’ny lafiny maro samihafa mifandraika amin’ny fampianarana sy ny fanabeazana io fotoana io. Haharitra roa andro izany ary hitovy avokoa ny firafitry ny fotoana isam-paritra. Afaka handray anjara amin’izany avokoa ny mpampianatra, mpanabe, mpampiofana, ireo mpisehatra samihafa ary ihany koa ny olom-pirenena manan-kevitra.
Hikaroham-bahaolana ao ireo zava-misy nitarainan’ireo mpisehatra tao amin’ny tranonkala novokarin’ny vovonana. Ao anatin’izany ny olana mikasika ny fandraisana ny mpampianatra ho mpiasam-panjakana ; ny olana mikasika ny fampidirana mpiasa sy ireo zo tokony sitrahin’izy ireo. Hanampy izany ny fikaroham-bahaolana hampifanarahana ny olona amin’ny toerana misy azy. Isan’ny be mpitaraina ihany koa ny mikasika ny fampiharana ny fandaharam-pianarana vaovao sy ireo maro hafa. Samy haneho vahaolana ka handrafitra izany ho azo ampiasaina izy ireo.
Hamerina ny hasin’ny fanabeazana
Tanjon’ity fikaonan-doha ity ny hamerina indray ny hasin’ny fampianarana eto Madagasikara. Ao anatin’izany dia hamiratra kokoa ny ho avin’ny zaza malagasy, na eny anivon’ny fiaraha-monina izany na eo amin’ny tontolon’ny asa na eo amin’ny fianakaviana. Fantatra mantsy fa mpisehatra rehetra amin’ny lafiny fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika ary fampianarana ambony no handray anjara amin’ity fikaonan-doha ity. Izany rehetra izany dia natao mba tena hisian’ny fampandrosoana maharitra tokoa. « Hihemotra hatrany isika raha tsy mandray andraikitra dieny izao », hoy hatrany ny avy ao amin’ny Vovonana. Hitondra ainga vao ho an’ny fampianarana araka izany io fotoana io.