• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Mps
Image
Vaovao

Ministeran’ny mponina : « Andraikitry ny rehetra ny fisorohana ny herisetra sy ny fanarenana aorian’ny fahavoazana »

09/04/2025 16:47 © Moov.Mg

Ambony ny tahan’ny famonoana vehivavy ho faty aty amin’ny Faritr’i Afrika, araka ny tatitra navoakan’ny Firenena Mikambana misahana ny vehivavy (ONU Femme), ho an’ny taona 2023. Nahatratra 21.700 ireo namoy ny ainy vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny, na ny olona akaiky azy. Isan’ireo firenena manana taha ambony ihany koa i Madagasikara, eo amin’izay lafiny herisetra izay.

Vehivavy malagasy, lasibatry ny herisetra

Araka ny antontan’isa, dia ny 37,7%-n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 49 taona no efa samy niharan’ny herisetra ara-batana na ara-pananahana avokoa. Ny 13,7% amin’ny vehivavy malagasy ihany no iharan’ny herisetra ara-nofo. Ankoatra izay dia mbola manjaka ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy, satria nanambady talohan’ny faha-18 taonany avokoa ny 39%-n’ny vehivavy eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 49 taona, ary talohan’ny faha-15 taonany dia efa nanambady ny 12%.

Mavesatra ny antontan’isa ka mila amafisina ny ady amin’izany herisetra izany. Ny 50,6% amin’ny mponina eto Madagasikara rahateo no vehivavy sy tovovavy, izay tokony ho fanoitra amin’ny fampandrosoana, nefa tsy afaka ny handray anjara tanteraka amin’izany, rehefa lasibatry ny herisetra sy tsy afaka misitraka ny zony.

Andraikitry ny rehetra

Androany 9 aprily 2024 dia nisy ny fivoriana, niarahan’ny ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina, ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA) sy ireo vondrona mpisehatra amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Isan’ny nivoitra nandritra izany fa manana andraikitra ny tsirairay, ao anatin’izany ady amin’ny herisetra izany. Nentanina, noho izany, ny fandraisan’andraikitry ny rehetra amin’ny fisorohana ny herisetra, fa ihany koa amin’ny fandraisana an-tanana ireo niharan’izany herisetra izany, ary amin’ny fanarenana azy ireo, aorian’ny fahavoazana.

Nitarika ity fotoam-pivoriana ity ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Razafinjato Aurélie sy ny solontena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara, Josiane Yaguibou.

Lire la suite

Articles Similaires