Ankizin’ny lalana : Azo amoraina ny fahazoana kôpia nahaterahana, hoy ny PFSCE
Iray amin’ireo zo fototra tokony hositrahan’ny ankizy rehetra tsy an-kanavaka ny fananana kôpia nahaterahana. Eto Madagasikara anefa dia mbola maro ireo ankizy tsy manana fisiana ara-panjakana, noho ny tsy fananana io taratasy io. Isan’ireo tsy mba misitraka izany zony izany ireo ankizin’ny lalana, ka anaovan’ny Vovonana miantsehatra amin'ny fiarovana ny zon'ny ankizy (PFSCE) antso avo manokana.
Zo ny fananana kôpia nahaterahana
Araka ny antontan’isa avy amin’ny fanadihadiana ENSMOD-INSTAT tamin’ny taona 2021, dia 74% ny tahan’ny fanoratana ara-panjakana ny zaza vao teraka eto Madagasikara, raha toa ka efa tafakatra 83% izany, tany amin’ny taona 2012, araka ny fanadihadiana EDS-INSTAT. Raha ny tokony ho izy anefa, dia ny 100% amin’ny ankizy mihitsy no manana zo ny hisitraka kôpia nahaterahana, izay mariky ny maha-olompirenena azy.
Miantoka ny fisitrahan’ny olona iray, ireo karazana zo hafa, ny fananana io kôpia mari-pahaterahana io, toy ny fananana anarana sy fizakana zom-pirenena, ny fidirana an-tsekoly, ny fananana karapanondrom-pirenena, ny fahazoana asa, ny fahafahana mandray anjara amin’ny zotram-pifidianana…
Andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana
Olana, mahatonga ny ankizy maro tsy hanana kopia nahaterahana anefa, araka ny nambaran’ny PFSCE, ny fahasarotan'ny fikarakarana antontan-taratasy, ny sarany tsy zakan'ny fahefa-mividin'ny rehetra ary ny fahalavan'ny fotoana lany amin'ny fikarakarana azy. Ireo ankizy miaina ao anaty fahasahiranana, toa ireo ankizin’ny lalana, no tena lasibatra, noho izy ireo tsy manana enti-manana no sady tsy mahazo tohana ihany koa, amin'ny fanatanterahana ireo dingana takiana ahazoana kopia.
Marihina ny sabotsy 12 aprily 2025 ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizin’ny lalana. Ny fanamby mba hahafahan’ny ankizin’ny lalana tsirairay hisitraka ny zony hanana fiizina (identité), no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Manoloana izany indrindra, dia manolotra soso-kevitra, mba ho tohana, hahafahan’ireo ankizy sahirana misitraka ny zony hanana kôpia nahaterahana, ny PFSCE. Azo amoraina sy afainganina ireo dingana takiana amin'ny fahazoana kôpia ary tokony atao maimaimpoana tanteraka izany. Apetraka ny trano heva mitety tanàna, mba hanamorana ny fahazoana kôpia, na any amin'ireo toerana lavitra tanàn-dehibe aza. Omena tohana araka ny lalàna, maimaim-poana sy mifanaraka amin'ny zava-misy, ireo olona hanamboatra kôpia nahaterahana. Ovaina ho nomerika ny sora-piankohonana ary apetraka ny tahirin-kevitra ho an'ny firenena, mikasika izany. Azo tanterahina tsara ireo, araka ny hevitry ny PFSCE.