• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Déléstage : Ho tapaka mandritra ny ora roa isan’andro ny jiro eto Antananarivo

10/04/2025 12:35 © Moov

« Araka ny hitantsika, niha-mihena ny rotsak'orana tato ho ato. Ny rano ao amin’ny tohodranon’Andekaleka, izay manome ny ampahatelon’ny famokarana herinaratra eto amin’ny tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA), dia mihiba hatrany. Voatery manapaka 10 ka hatramin’ny 15 MW ny JIRAMA amin’ny ora be mpampiasa, mandritra ny adiny roa eo ho eo ». Izany no fampilazana nataon’ny JIRAMA ao amin’ny pejiny. Miomana araka izany ny mponin’Antananarivo sy ireo tanàna manodidina amin’ny fahataphan-jiro.

Raha araka io fanazavana io dia ny tsy fahampian-drano no mahatonga ity fanapahan-jiro mifandimby ity. Aloha loatra, raha ny fahitan’ireo mpanjifa izany satria vao tsy ela akory izay no tsy nisy orana. Raha ny fampahafantaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro aza dia mbola anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Izany hoe, tokony mbola ho ampy ny rano manosika ireo milina raha ny orana teo aloha teo no hamaritana azy. Efa nanomboka omaly tolak’andro sy alina anefa ity fahatapahana mandritra ny ora roa isaky ny toerana ity. Raha ny tokony ho izy dia any amin’ny volana jona any no tokony manomboka mihena ny rano saingy lasa aloha izany tamin’ity taona ity, hoy ny fanazavana avy ao amin’ny Jirama.
Toe-javatra mampanahy rahateo izany satria mbola ho ela indray vao ho avy ny fahavaratra izay handrasana any ho any amin’ny volana oktobra any ho any. « Mety hiainana fahatapahan-jiro mafy kokoa noho izany adiny roa izany isika rehefa tena ririnina. Izany hoe ho olana hatrany ny fiainana eo ho eo amin’ny 6 hatramin’ny 7 volana eo ho eo », hoy ny mpanjifan’ity orinasam-panjakana ity, omaly.

Fanarenana sy fanamboarana fitaovana

Tao anatin’ny fanazavan’ny Jirama ihany koa dia nilaza izy ireo fa nahitana olana ara-teknika ihany koa ao amin’ny tobim-pamokarana herinaratra ao Mandraka, isan’ny mahatonga ny fikorontanana. Araka izany, tsy maintsy ny fanarenana na fanavaozana na fanamboarana fitaovana vaovao no vahaolana. Indrindra ny tsy hiankinan-doha be intsony amin’ny angovo azo avy amin’ny rano.
Raha ny tapaka nandritra ny filan-kevitra ny Minisitra omaly dia vinavinaina hanomboka ny 24 avrily 2025 ny fananganana ireo tobim-pamokarana mandeha amin'ny herin'ny masoandro mitotaly 50MW hotsinjaraina eto an-drenivohitra sy eny amin'ireo renivohiparitany manerana ny Nosy. Miandry ny fahatongavan’ireo singa lehibe handrafitra izany ivon-toerana mpamokatra herinaratra izany sisa, raha ny fanambarana.
Etsy ankilany dia efa tonga ao Ambohimanambola ihany koa ny ankamaroan'ireo fitaovana hananganana ny ivon-toerana famokarana herinaratra HFO 105MW izay hanampy ny famokarana herinaratra eo anivon’ny JIRAMA. Tanjon'ity tetikasa ity ny tsy hiankinan-dohan’ny orinasa Jirama, intsony, amin'ireo vondrona mpihary herinaratra avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Lire la suite

Articles Similaires