Tetikasa MECC : Vinavinaina hampiakarana avo roa heny ny vola miditra amin’ireo mpandraharaha mankany Canada
Mbola malalaka ny tsena ara-barotra mampifandray an’i Madagasikara amin’i Canada. Araka izany, omena soa fanararaotra ireo mpandraharaha ao anatin’ny tetikasa iraka MECC (mission économique et commerciale Canada). Hotanterahina ny 28 aprily hatramin’ny 10 mey ity iraka ity, izay natao hampahafantarana sy hampiroboroboana ny vokatra malagasy ao Canada.
Hanokafana varavarana ho an’ny Malagasy
Efa taona maro izay no niara-niasa ara-barotra i Madagasikara sy i Canada ary efa nampidi-bola hatramin’ny miliara ho an’ny mpandraharaha izany. Miditra amin’ny andiany fahenina ny iraka amin’ity taona ity ary miavaka sy lehibe ny tanjona ao anatin’izany. « Raha hatramin’ny 11 tapitrisa ny vola hampidirin’ity fifampiraharahana ara-barotra ity amin’ireo orinasa sy mpandraharaha malagasy dia tanjona amin’ity andiany ity ny hampiakatra io vola miditra io ho avo roa heny », hoy i Ando Lalaina Ratovomanana, Filohan’ny Antenimieram-pirenenan’ny varotra sy ny fifanarahana amin’i Canada (CanCham).
Manana paikady hanatrarana izany tanjona izany ny CanCham. Raha ny fanazavana dia hivelatra amin’ny toerana hafa izy ireo, hitondrana ny vokatra malagasy, raha i Québec sy Antario no tena nimasoana hatrizay. Hatomboka any Toronto ka hikasika an’i Montréal, Ottawa, Victoriaville, Shawinigan, sy faritra maro hafa ity iraka ity.
Hivelatra amin’ny sehatra samihafa
Raha ny « agribusiness » no tena naparitaka tany Canada hatrizay, indrindra ny vokatra tantely dia hovelarina ihany koa ny sehatra haparitaka. Seha-pihariana maro no ho voakasiky ny tetikasa dia ny orinasa malagasy misehatra amin’ny fizahantany, ny fanabeazana ary ny teknolojia ara-kajy mirindra. Tanjona ao anatin’izany ny hampiroboroboana ny vokatra malagasy rehetra manana tanjaka ara-toekarena sy afaka haparitaka maneran-tany.
Handray anjara amin’ity tetikasa ity ny Madagascar Best Destination, Heaven Network, Sahaza Group, Vatel, Raketa, ary ny Jtf Madagascar, sy ireo maro hafa. Ankoatra ny fampahafantarana ny vokatra eto Madagasikara eo amin’ny tsena Kanadianina dia hanampy ny tombony amin’izany ny fahazahoana ireo fifanarahana ara-barotra amin’ireo mpividy Kanadianina.