Famokarana : Tany mirefy 100Ha ao Antalaha hapetraka ho foibe mpamokatra masomboly vary safiotra
Napetraka ao amin’ny Distrikan’Antalaha ny foibe mpamokatra masomboly vary safiotra ao amin'ny Faritra SAVA. Velaran-tany mirefy 100Ha izany ary heverina hamokatra masomboly ampy ho an’ny faritra iray manontolo. Ny faran’ny herinandro teo no nidina tany an-toerana ny Sekreteram-panjakana misahana ny Falehovantena ara-tsakafo, Ramatoa Tahian’Ny Avo Razanamahefa niaraka tamin'ireo Sinoa manam-pahaizana manokana amin'ny fambolena vary Safiotra.
Toerana mahafeno ny fepetra ilaina
Raha ny fantatra dia toerana afaka misy manondraka lalandava no ilaina hamokarana ireto masomboly ireto. Isan’ny fepetra takiana ihany koa ny toe-tany afaka mamokatra vary amin’ny kalitao sy ny toetr’andro hahafahana manatanteraka izany. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana Sinoa ireo dia feno ireo fepetra ireo ka izay no nisafidianana an’Antalaha. Amin’izao fanombohana izao moa dia tany mirefy 50Ha ao amin’ny fokontany Ambodivoangibe, kaominina ambanivohitr’i Ampohibe, no hisantarana ny famokarana masomboly.
Raha tsiahivina dia goavana ny tanjona amin’ny fanapariahana ity vary safiotra ity. Voalohany indrindra amin’izany ny fahavitan-tena ara-bary, izay foto-tsakafon’ny Malagasy. Marihina fa ahitana taham-bokatra 08 hatramin'ny 12 taonina isaky ny hektara ity karazany ity, raha eo ho eo amin’ny 5 taonina eo ihany ny vokatr avy amin’ireo karazam-bary hafa.
Hanana toerana mpamokatra zezika i Antalaha
Mbola isan’ny olana manodidina ny fambolena ihany koa ny tsy fahampian’ny zezika hampiasaina ka mampihena ny vokatra. Lafo ny vidiny noho ny fanafarana. Araka izany, nandritra io fidinana io ihany koa no namantarana fa hapetraka ao amin'ny kaominina Ankiakabe-Nord amin'ny magazay Sarah ny orinasa lehibe hamokatra zezika hamatsy ny Faritra SAVA iray manontolo.
Tokana ihany ny tanjona amin’izany dia ny fampitomboana ny voka-bary amin’ny fomba maro samihafa. Nanambara ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahavitan-tena ara-tsakafo fa : "80 % mponina dia miaina ety amin'ny tontolo Ambanivohitra. Rariny sy hitsiny raha toa ka hatao laharam-pahamehana izy ireo. Amin’ny alalan’ny famokarana sy fambolena eto an-toerana ny masomboly vary safiotra, hahafahan'izy ireo hisitraka tombontsoa mivantana, ary hiroso mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo i Madagasikara »