• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Malagasy News
Image
Vaovao

Antananarivo : Hapetraka ny paikady hiatrehana ny hain-tany sy ny mety ho tsy fahampian-drano

14/04/2025 15:22 © Moov

Efa mila hiomanana sahady ny mety ho olan’ny famatsian-drano amin’ny fotoan’ny hain-tany eto Antananarivo. Hametraka paikady momba izany indrindra ny Ministeran’ny rano, fahadiovana ary ny fidiovana. Ankoatra ny fampiodinana ireo fotodrafitrasa mikasika izany dia ao ihany koa ny fampitaovana samihafa. Raha ny vinan’ny Minisitera io dia ho vahaolana maharitra no hapetraka amin’ity 2025 ity.

Fanarenana sy fanodinana ireo fotodrafitrasa samihafa

Zary lasa raiki-tapisaka eo amin’ny fiainan’ny mponin’Antananarivo ny mandahatra ny « bidon jaune » eny amin’ireny paompy ireny satria tsy misy rano. Efa niteraka fitokonana sy korontana samihafa izany ny taona 2024 teo. Ho mafimafy kokoa anefa io tranga io amin’ity taona ity, hoy ny Minisitra, satria « tsy vitan’ny hoe hiaina hain-tany fotsiny ny eto Antananarivo fa sady hiaina fanarenana fotodrafitrasa ihany koa mandritra izany », hoy hatrany ny Minisitra, Lalaina Andrianamelasoa.
Isan’ny asa ho tanterahina mandritra io fotoan’ny hain-tany io ireo fantsona mpitatitra rano any ambanin’ny tany any izay, tentsina na tapaka ka tsy tonga eny amin’ireo mpanjifa araka ny tokony ho izy ny rano. Io asa io izay heverina ho lovain-jafy mba tsy hiverenan’ny olana. Hanampy izany ihany koa ny fanamboarana anatin’ny fotoana fohy ny « unité de traitement compact » izay hapetraka eo Mandroseza ka afaka hamatsy rano hatramin’ny 20 000m3.
Fanampin’izany dia hitohy ihany koa ny fanamboarana ireo lava-drano isaky ny fokontany izay miisa 35. Ny 25 amin’izy ireo no voalaza fa efa vita tanteraka.

Fanampiana fitaovana

Etsy ankilany moa dia mba hahafahana miatrika io main-tany io ihany koa dia ho ampitomboina ny fitaovana. Hisy ny fiara lehibe mpitatitra rano, miisa 18 hanampy ireo efa amperin’asa. « Rehefa mbola misy olan’ny fantsona dia aleo taterina eny anivon’ny mponina mivantana ny rano madio », hoy hatrany ny fanazavana.
Etsy andaniny dia ho asiana vondrona mpihary herinaratra ihany koa eny amin’ireo toeram-pamatsian-drano kely maromaro manodidina an’Antananarivo (unité de traitement conteneurisé). Raha ny fanazavana dia vondrona mpihary herinaratra miisa 25 ihany koa no ho avy mba hahafahan’ireo toerana miodina sy manome rano ao anatin’ny 24 ora tsy an-kiato. Raha ny fanamarihan’ity Minisitra ity dia ho ezahina hampandehanina sy tandrovina avokoa izay rehetra afaka mamatsy rano eto Antananarivo, mba hanalefahana ny olana.

Lire la suite

Articles Similaires