Vous êtes ici

23-09-2022 par Midi Madagasikara

Voasambotry ny polisy nampian’ny fokonolona ny tovolahy iray nanendaka teratany vahiny teny Ampantsakana Ampefiloha omaly.


Copyright Image : © Midi Madagasikara

 

Narahan’izy io ny teratany vahiny iray nandalo teny an-toerana, ka raha iny variana iny izy io no nosinton’ilay tovolahy io ny kitapo sy finday teny aminy. Niantso vonjy avy hatrany ilay teratany vahiny io ka nanaitra ny manodidina izany. Raikitra ny fanenjehan’ny fokonolona azy io, tsy lavitra teo ihany koa ny fisian’ny polisy miasa amin’ny fifamoivoizana sy ireo polisy mpanao fisafoana. Tsy lasa lavitra noho izany ity tovolahy ity dia tratra. Saika niharan’ny daroky ny olona teo izy io raha tsy nisy ny polisy niaro azy. Mbola tratra teny aminy ny zavatra nangalariny. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy teny Ampefiloha hanaovana fanadihadiana. Araka ny fanazavana azo dia anisan’ny faritra mafana amin’ny fanendahana iny Ampantsakana mihazo an’Ampefiloha sy Isotry iny. Matetika eo Ampefiloha amin’ny fiandrasana fiara fitateram-bahoaka no ahitana izany. Indrindra rehefa maraina sy hariva fodian’ny mpianatra sy ny mpiasa iny.

 

Anisan’izany ihany koa ny mihazo an’Ampefiloha makany Andavamamba iny. Mirongatra ny asan-jiolahy toy ny fanendahana amin’ireo faritra ireo. Mampitaraina ny olona indrindra ireo olon-dratsy mirongo fiadiana. Manao hetsika manokana mihitsy ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana azy ireny, ary misy ny vokatra amin’ny fahatrarana ireo jiolahy, saingy maro ihany koa izy ireny. Misy ny mpamerin-keloka izay manohy ny asa ratsiny rehefa tafavoaka ny fonja. Ankoatra ny polisy izay manao fisafoana andro na alina, manampy azy ireo ihany koa ny miaramila manao fisafoana eto an-drenivohitra. Ireto farany na amin’ny ireo faritra manodidina an’Antrananarivo aza dia ahitana azy ireo ihany koa. Manampy betsaka ny vahoaka satria mampihena ny tsy fandriam-pahalemana. Na izany aza, ny fahatraran’ny fokonolona ireny olon-dratsy ireny no miteraka fitsaram-bahoaka rehefa miverimberina ny asa ratsin’ireo jiolahy, izay mazàna mahavita mamono ihany koa. Manamafy hatrany anefa ny mpitandro filaminana fa fandikan-dalàna ihany koa ny fitsaram-bahoaka. « Atolotra ny mpitandro filaminana hanaovana fanadihadiana ary avy eo alefa eny amin’ny fitsarana ny raharaha. Tokony hatoky ny manampahefana hatrany ny vahoaka », hoy ny fanazavana.

 

Yv Sam