Vous êtes ici

18-10-2021 par Midi Madagasikara

Tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany no niantso ireo valo mianadahy voampanga tamin’ilay raharaha kaontenera nahatrarana vatosoa tsy nahazoana alalana tamin’ny tompon’andraikitra misahana ny harena an-kibon’ny tany ny Fitsarana. Raha ny fantatra tao anatin’ity raharaham-pitsarana nitranga ny alakamisy 14 oktobra ity dia saika haondrana tany Chine ireto vatosoa ireto. Efa niakatra Fitsarana voalohany ity raharaha ity ny 28 septambra teo, saingy nahemotra ny alakamisy 14 oktobra indray izany ka izao notsaraina izao.


 

Nandritra ny fitsarana dia naharitra adiny iray teo ny fifandaharana teo amin’ny mpitsara sy ny fampanoavana ary ny mpiaro ireto voampanga. Tena nafana ny raharaha nandritra izany, ka tsy nifarana izany fotoam-pitsarana izany raha tsy tamin’ny 12 ora sy 30 min. Fantatra nandritra ny fitsarana fa niainga avy amin’ny faritra Anosy ireto kaontenera feno vatosoa tsy nahazoana alalana ireto, nandalo tao Antananarivo, ary izao nigadona teo anivon’ny senanan-tsambon’i Toamasina ka tratra izao. Vao tonga teto Toamasina ireto kaontenera valo ireto dia nampanadalovina teo anivon’ny “scanner” namantarana ny ao anatiny. Nilamina izany rehetra izany nandritra izany ka nalefa niditra ny toby kaontenera miandry ny fanondranana azy.

 

Taoriana izay anefa dia nisy baiko nidina tampoka avy any Antananarivo ny hamerenana ny fitsirihana ireto kaontenera valo ireto fa nahazo vaovao ny fadintseranana fa misy zavatra mampihaihay ao anatiny. Tamin’ity fitsirahana faharoa ity vao hita fa nisy vatosoa tsy ara-dalàna tao anatin’ireto kaontenera ireto. Raha nosavaina izy ireto dia nahitana vatosoa “ametiste”, safira, “corail noir”, sy ny maro hafa ihany koa. Nahazo taratasy mazava, “certificat de conformité”, avy amin’ny mpiasan’ny harena an-kibon’ny tany ireto Sinoa tompon’ny entana, nefa nilaza izy ireo fa tsy nahitana zavatra tsy azo ahondrana tao anatin’ilay kaontenera nahatonga azy ireo nanome ilay “certificat de conformité”. Nangataka Onitra sivy miliara ariary mahery tamin’ilay tompon’ny entana ny avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany, ka notsikerain’ny mpisolovava an’ilay Sinoa mahery vaika izy ireo vokatr’ izany. Ny antony dia tsy manana alalana manao izany ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tana raha tsy mahazo taratasy mazava avy amin’ny fanjakana fa misolo tena azy tamin’ity raharaha ity.

 

Ankoatra izany rehetra izany, nohamafisin’ny mpisolovava hatrany nandritra ny fitsarana, fa samy nanao tandrametaka ny sampandraharahan’ny harena an-kibon’ny tany sy ny fadintseranana matoa tonga tamin’izao ny raharaha. Vokany! Samy miandry ny mety havoakan’ny didim-pitsarana ny talata 19 oktobra izao ny rehetra.

 

Malala Didier