• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Ik Aqua Sport
Image
Reny&Zaza

Bevohoka : ireo vokatsoan’ny filomanosana mandritra ny fitondrana vohoka

28/04/2025 10:08 © Moov.Mg

Anisan’ireo « activités » malefaka tsara atao mandritra ny fitondrana vohoka ny filomanosana. Sady mampahazo aina no mitondra vokatsoa maro eo amin’ny bevohoka sy ny zaza ao an-kibo ny filonana sy fitsingevanana anaty rano mandritra ny fitondrana vohoka. ‘Ndeha ary ho fantarina ireo antony tsara hilomanosana rehefa bevohoka.

Maivamaivana sy mahazo aina ny vatan’ny bevohoka rehefa milomano

Isan’ireo vokatsoa lehiben’ny filomanosana mandritra ny fitondrana vohoka ny fahatsapan’ny vatana maivamaivana. Mihena tokoa mantsy ny vesatra lanjain’ny vanintaolana, ny lamosina sy ny ranjo rehefa ao anaty rano. Mampitony ny fanaintainana ao amin’ny lamosina, ny firorotry ny hozatra sy ny fivontosana samihafa vokatry ny « rétention d’eau » eo amin’ny bevohoka ny fitsingevanana anaty dobo filomanosana.

Manatsara ny fikorian’ny rà

Ny filomanosana dia mandrisika ny fikorian’ny rà. Rehefa milomano ny bevohoka dia mihatsara ny fikorian’ny rà eo amin’ny reny sy ny zaza ao an-kibo. Mahazo « oxygénation » sy otrikaina ilainy amin’ny fitomboany kokoa ity farany. Ny fikorian’ny rà tsara eo amin’ny vatan’ny bevohoka dia mampihena ny « risques » hampisy varisy sy fahatsapana « jambes lourdes » eo aminy.

Manamafy amin’ny fomba malefaka ny hozatra

Fanatanjahantena iray mampiasa andiana hozatra maro amin’ny fomba malefaka sy mitovy hamafy ny filomanosana. Anisan’ireo hatanjahany ny hozatry ny lamosina sy ireo hozatry ny kibo, izay tena ilaina hitazomana « posture » tsara mandritra ny fitondrana vohoka. Isan’ny manamora ny fiterahana ihany koa moa izany. Rehefa mafimafy ny hozatry ny kibo dia mora kokoa ny mamerina ny fihenan’ny kibo aorian’ny fiterahana.

Manampy amin’ny fiomanana amin’ny fiterahana

Ny filomanosana mandritra ny fitondrana vohoka dia manatsara ny « endurance » ny fo sy ny lalandrà ary ny « respiration » eo amin’ny bevohoka. Izany dia manampy ny vatan’ity farany hiatrika ny fampiasana ny vatana mandritra ny fiterahana. Mety ilaina ihany koa ny fahaizana mifehy ny « respiration » anaty rano rehefa eo am-piterahana.

Ireo fepetra sy fitandremana rehefa milomano mandritra ny fitondrana vohoka

Marina fa tsy dia tokony misy atahorana loatra ny filomanosana mandritra ny fitondrana vohoka, nefa kosa misy ihany ireo fepetra sy fitandremana mila hajaina :
-Mila mifampiresaka amin’ny mpitsabo na ny rasazy manaraka ny vohoka hatrany ny bevohoka vao manomboka na manohy fanatanjahantena ;
-Manao « échauffement » moramora vao miditra anaty rano ;
-Fadiana ny manao fihetsika tampoka na mafy loatra rehefa milomano ;
-Ireo karazana filomanosana malefaka, toy « dos » na ny « brasse » no atao ;
-Henoina tsara ireo mety ho fambara ataon’ny vatana ary mijanona rehefa mahatsiaro reraka, misy manaintaina na tsy mahazo aina ;
-Tandremana mba ho azo antoka tsara ny fahadiovan’ny dobo filomanosana na ny ranomasina vao miditra ao.

Lire la suite

Articles Similaires