Faritra arovana Amoron’i Onilahy : Efa tafaverina ny 75%-n’ny ala, vokatry ny fiaraha-mitantana
Efa miverina tsikelikely ny ala mandrafitra ny faritra arovana Amoron’i Onilahy. Porofon’ny fahombiazan’ny fiaraha-mitantana ity Faritra Arovana any Atsimo Andrefana ity izany, izay mifototra indrindra amin’ny fampandraisana andraikitra ireo vondron’olona ifotony. Mankalaza ny faha-10 taonany izany fiaraha-mitantana izany, amin’ity taona ity.
Faritra arovana manan-danja
Tamin’ny 28 aprily 2015 no niorina tamin’ny fomba ofisialy ny Faritra Arovana Amoron’i Onilahy, izay mahakasika Kaominina 15 manamorona ny reniranon’i Onilahy, ao anatin’ny Distrikan’i Tuléar II sy Betioky Atsimo, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Mirefy 102 482 hektara izany faritra arovana izany, izay ahitana faritra mando voasokajy ho « Site RAMSAR » mirefy 47 105 ha. Manan-danja amin’ny fiainan’ny mponina ao an-toerana io faritra mando io, antony nampahomby ny 10 taona nisian’ny fiaraha-mitantana eny ifotony nataon’ny federasiônina Mihavao, ny OPCI OHEMIHA (Organisme Public de Coopération Intercommunale # Onilahy HEnane MItambatse Handroso), ary tohanan'ny WWF Madagasikara.
Manana lanja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy ity faritra arovana ity, noho izy mitahiry rohivohary an-drano sy an-tanety, izay mifandrohy akaiky. Ny faritra mando ao aminy no manome rano, hazan-drano sy vokatry ny ala, ho an’ireo mponina manodidina. Izany rohivoahary izany no mandrindra ny toetr’andro, mitahiry ny nofon-tany sy mandrindra ny famoahana entona karibônina, manan-daja ho an’ny zanak’olombelona. Ankoatra izay dia toerana azon’ny mpizahatany tsidihina ny Amoron’i Onilahy, na dia somary saro-dalana aza.
Nihena ny ala simba sy may
Niarahan’ireo voakasika rehetra namaritra ny tanjona, araka ny fanazavan-dRamarozafy Soamitahy, filohan’ny OPCI OHEMIHA, sady Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antanimena Onilahy, dia ny hampihenana ny tsindry mianjady amin’ny tontolo iainana sy ny zavamananaina ao anatin’ny faritra arovana. Anjara asa raisin’ny OPCI OHEMIHA, ny fampanarahan-dalàna, indrindra rehefa misy ny trangana afo na ny fanapahana ala. Manara-maso ny zava-mitranga ihany koa, araka izany ny OPCI OHEMIHA, amin’ny maha-fikambanan’ny kaominina miaro sy mitantana ny faritra Arovana amoron’ny Onilahy azy. Nilaza moa Ramarozafy Soamitahy, fa tao anatin’izay 10 taona izay, indrindra nanomboka teo anelanelan’ny taona 2017 sy 2018, dia nihena ny ala simba sy may, vokatry ny fiaraha-mitantana, ary efa tafaverina tsikelikely ny 75%-n’ny ala.
Tohana ho an’ny mponina
Tsy maintsy jerena voalohany ny fari-piainan’ny mponina miaina ao anatin’ny faritra arovana, hoy Rakotomanana Ratsimbazafy, filohan’ny federasiônina Mihavao. Raha ratsy mantsy ny fari-piainana dia ho teren’ny tsy fisiana ireo mponina ka lasa mitrandraka ny ala. Noho izany indrindra dia mijery akaiky ny velon-tenan’ny mponina ny Mihavao. Manohana ny mponina amin’izany fidiram-bola izany rahateo ny WWF, ka isan’izany ny fambolena anana. Nahavitana trano, ahafahana mampiana-janaka, ary nahafahan’ny mponina mifanampy amin’ny fanorenana fiangonana mihitsy ny vola azo amin’izany, araka ny fijoroana vavolombelon-drtoa Lalao, mpamboly sy isan’ny mpisitraka ny tohana avy amin’ny WWF.
Tohana ara-bola, ara-pitaovana sy ara-teknika no omen’ny WWF ho an’ireo mpiara-mitantana ny faritra arovana Amoron’i Onilahy. Hatramin’ny taona 2015, dia nanampy tamin’ny fampivoarana ny fitantanana, ity fikambanana iraisam-pirenena miaro ny zavamananaina ity ; nanamafy ny fahaiza-mitarik’izy ireo sy ny fampahaleovan-tena. Nahazoam-bokatra izany, araka ny nambaran’ny WWF, satria mafy, mendri-panajana ary afaka mandray fanapahan-kevitra mba hampiroboroboana ny faritra arovana, ireo mpiara-mitantana eny ifotony.