Fampianarana : Mpampiofana miisa 48 no nanombohana ny atrikasa mikasika ny fanabeazana feno ara-pananahana
Mpampiofana mahafehy ny Fanabeazana Feno sy Tanteraka ara-pananahana (ECS) no ilaina amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no hanapariahana ny momba io ECS io manerana ny Nosy ka tao Antsirabe no nanombohana azy. Mpampiofana miisa 48 no nandray anjara tamin’izany tao amin’ny Lovasoa Compétence Center.
Fandalinana ny boky ECS
Raha ny taona 2024 teo dia manodidina ny 32% ny vehivavy no miteraka alohan’ny fahafenoany taona, na 18 taona. Maro amin’izy ireo no tsy afaka manohy ny fianarany intsony avy eo. Mba hialana amin’izany indrindra no nametrahana ity boky ECS ity. Boky izay natao hampianarana ireo ankizy vavy ny momba ny ara-pananahana. Boky feno sy mazava ary amin’ny antsipirihany mba hahafantarany ny vatany ka tsy hahatongavany amin’izany olana izany. Mivoitra ao anatiny ny fampiroboroboana ny fiovan'ny fitondran-tena sy ny fenitra eo amin'ny tanora any an-tsekoly amin’ny ambaratonga faharoa mandritra ny taom-pianarana. Io boky io indrindra no velabelarina amin’ireto mpampiofana ireto mba hahafahany mampita izany amin’ny mpianatra.
Nifantoka tamin’ny fandalinana sy fampiharana ny boky ECS nohavaozina araka izany ity fiofanana ity, izay naharitra dimy andro. Efa nampifanarahana amin'ny zava-misy eto Madagasikara izy io mba hanamorana ny fampitana hafatra.
Haparitaka manerana ny Nosy
Ao aorian’ity dingana ity, dia hoentina any amin’ny faritra maro, toy ny Menabe, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Toliara ary maro hafa ny fanofanana ireo mpampianatra eny anivon’ny sekoly ireo. Tanjon’ny hetsika ny hananana mpampiofana mahafehy ECS, manerana ny Nosy sy hanamafy ny fahaiza-mampihatra azy eny anivon’ny sekoly, ho fiarovana sy ho fanabeazana maharitra ho an’ny tanora. Ho an’ireo tanora kosa dia mba ho afaka handray fanapahan-kevitra mikasika ny vatany izy aorian’ny fanabeazana.
Marihina fa ny "Direction de l'Apprentissage et de la Formation Initiale" no miakaraka azy ity ary hiarahan’ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa sy ny Ministeran'ny Fanabeazam-Pirenena. Miaraka amin’ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny UNESCO ao anatin’ny tetikasa O3.