Araho eto ny mikasika ny allergies respiratoires eo amin’ny ankizy
Resahana eto ireo soritr’aretina ahafantarana ny allergies respiratoires eo amin’ny ankizy. Fantaro ireo mety ho anton’izany sy ny fitsaboana azy.
Ireo fomba fisehon’ny « allergies respiratoires » eo amin’ny ankizy
Maro ireo karazana aretina mandalo izay mipoitra sy mampijaly ny ankizy rehefa ririnina, toy ny areti-tenda sy ny gripa. Rehefa tonga ny vaninandro mafana dia miverina mitsoni-delo indray izy ka mety efa ho fambaran’ny « allergies respiratoires » izany. Anisan’ireo fomba fisehon’ny « allergies respiratoires » eo amin’ny ankizy ny hoe :
-Tsy mety afa-tsery ;
-Mievona matetika ;
-Mena ny maso ;
-Mahatsapa mangidihidy ao anaty orona, ny maso na ny tenda.
Ireo mety ho anton’ny « allergies respiratoires » eo amin’ny ankizy
Maro ireo antony mety mahatonga ny « allergies respiratoires » eo amin’ny ankizy :
-Avy amin’ny fototarazo. Izany hoe nolovaina tamin’ny ray aman-dreny izay misy « allergies respiratoires » ;
-Ny fisian’ny « acariens » ao an-trano, toy ny eo amin’ny lambam-pandriana, ondana… ;
-Ny fofon-tsigara. Izany hoe misy mifoka sigara matetika eo akaikin’ilay ankizy ;
-Ny loto eny amin’ny tontolo iainana ;
-Ny « pollens allergiques » izay manidina eny amin’ny rivotra eny, indrindra rehefa vaninandro lohataona.
Ireo fomba atao hamerana ny mety ho fahasarotana eo amin’ny fisefoana sy ny sohika
Marihana fa raha toa ka tsy voaray an-tanana ara-dalàna ny « allergies respiratoires » eo amin’ny ankizy dia mety mitarika fahasarotana toy ny sohika na « asthme ». Raha mahatsikaritra ny iray na ny maro amin’ireo soritr’aretina voalaza teo ambony ireo arak’izany dia mila entina mpitsabo ny zaza ka raha toa ka ahiany ho misy « allergies respiratoires » dia alefany any amin’ny « allergologues ».
Ny « allergologues » no mamaritra ny karazana fitsaboana mila atao. Tafiditra anatin’ny fandraisana an-tanana atao ny fampahafantarana ny ray aman-dreny ny mikasika ny « allergies respiratoires » sy ireo fepetra mila arahin’ireto farany mba tsy hampihombo ilay « allergie ». Anisan’ireo fepetra ireo ny fanarahana ireo « mesures d’hygiènes » ao an-trano mba tsy hampihetsika ny « allergies respiratoires » an’ilay ankizy rehefa tonga ny fahavaratra.