• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Zouk Pro
Image
Vaovao

Kanton’i Bessa sy Lôla : Hohirain’i Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison

08/05/2025 16:47 © Moov.Mg

Eny amin’ny CCESCA Antanimena no hifamotoana ireo mpankafy ny hiran’i Bessa sy Lôla, amin’ny alahady 11 mey ho avy izao. I Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison no hamelona ireo hira nahalalana an’i Bessa sy Lôla hatramin’izay.

Mpanakanto tsy zoviana

Rabe Samuel Rakotovao, na i Bessa, sy Rasoarilalao Vololomboahangy, na i Lôla, mpivady nanamarika ny tontolon’ny mozika teto Madagasikara. Efa ela no tsy nanatanterahan’i Bessa sy Lôla fampisehoana teto Madagasikara intsony, rehefa nonina tany Frantsa izy mivady. Tamin’ny 29 jona tamin’ny taon-dasa kosa i Bessa no nanatanteraka fampisehoana miavaka, ho fankalazana ny tsingerin-taona faha-80 nahaterahany.

Ho an’ireo manembona mijery ny fampisehoan’i Bessa sy Lôla eto an-tanindrazana, dia ireo solofo dimbin’ny ala, no hampianoka ny mpankafy, amin’ny alahady ho avy izao, eo amin’ny CCESCA Antanimena, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison, samy tsy zoviana amin’ny feo mangany avokoa ary samy manana ny angolam-peony, no hikalo ny kanton’i Bessa sy Lôla mandritra izany. Ny Zouk Pro kosa no mikarakara ity fampisehoana ity.

Hetsika fanao isan-taona

Araka ny fanazavan’i Farakely, tao anaty horonan-tsary iray, dia hetsika efa fanao isan-taona ity fikaloana ireo kanton’i Bessa sy Lôla ity ary tokony hatao foana. Nanamafy izany i Mahery, raha nilaza fa dieny mbola eo ilay olona dia tokony hiraina ny hirany. Amin’ny fomban’izy ireo no hikaloan’izy ireo izany, hoy hatrany izy, saingy noezahina kosa mba tsy handratra ny sofin’ireo mpankafy. Nanambara kosa i Nanie fa tamin’izy vao 9 taona no efa taizan’i Besa. « Ankehitriny, mbola tiako ny maneho izany ho azy sy ho anareo mpankafy. Fotoana ahafahana miara-mianoka ny kanton’i Bessa io ao amin’ny CCESCA io », hoy izy.

Ankoatra ireo hira nokaloin’i Bessa sy Lôla, dia hohirain’izy 4 mianadahy ihany koa ireo hira nosoratan’i Bessa, fa nokaloin’ny mpanakanto hafa. Nambaran’ny Zouk Pro fa misy mpihira tsy ampoizina ihany koa, ho avy amin’io fotoana io.

Lire la suite

Articles Similaires