• Cours de change
  • 5008.54 AR
  • |
  • $4481.05 AR
Copyright Image : © Gouverneur Analamanga
Image
Vaovao

Filoham-pirenena – Kianja Makis : Fianakaviana miisa 7 200 sy mpianatra miisa 400 nisitraka fanampiana

12/05/2025 15:28 © Moov

Nahazo ny anjarany tamin’ny hetsika vatsy tsinjo ihany koa ny mponina ao anatin’ny boriborintany voalohany eto Antananarivo, tamin’ity anio ity. Fianakaviana marefo miisa maherin’ny 7 200 no nisitraka izany, teny amin’ny Kianja Makis, ary hipoka olona tao an-toerana. Tonga nanomboka izany, teny an-toerana ny Filoham-pirenena

Fifampitsinjovana

« Ao anatin’ny fahasahiranana no ahitana hoe misy mitsinjo ve ianareo. Tsapako ny fahasiharanana misy amin’izao fotoana izao ka mahatonga ahy hanolotra ireto vatsy ireto », hoy ny Filoham-pirenena nandritra ny lahateniny. Ahitana vary iray gony milanja 25 kilao ireo fanomezana. Manampy izany ny siramamy 1 kilao, menaka 1 litatra ary savony sy sira. Vokatra samihafa izay samy ilaina amin’ny andavan’andro avokoa. Ireo fianakaviana tena sahirana no misitraka izany, raha ny fanazavan’ny Minisitry ny mponina, teny an-toerana.
Mbola hitohy eny amin’ny boriborintany hafa ihany koa ny hetsika, raha ny fanamarihana izay nataon’ny Filoha. « Fanombohana ihany ity eto amin’ny Kianja Makis ity ho an’ny boriborintany voalohany fa samy hisitraka izany avokoa ireo hafa rehetra, izay ho atao isaky ny herinandro », hoy ny tenany. Isan’ny voatonony manokana ny boriborintany fahenina, fahadimy ary faharoa.

Fanomanana CEPE

Ankoatra ireo fanomezana vokatra ilaina amin’ny andavan’andro ireo, dia notolorana fitaovana ihany koa ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE. Miisa 400 izy ireo no nisitraka kitapo misy fitaovam-pianarana samihafa, androany. Natao indrindra izany mba hanamaivana ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny izay tsy manana fahafahana amin’ny fampianaran-janaka, hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, teny an-toerana.
Nampatsiahy ity Minisitra ity fa efa miisa hatramin’ny 1 500 000 ny « kits scolaire » nozaraina tamin’ity taom-pianarana 20242025 ity. Entina hamporisihana ireo Ray aman-dReny hampiditra mianatra ny zanany izany. Nomarihiny tamin’izany fa hitohy amin’ny taom-pianarana 2025 – 2026 ny fampidirana mpianatra maimaim-poana ho an’ireo fianakaviana tena marefo.
Natao avokoa ireo rehetra ireo hampihenana ny fahasahiranana samihafa eo amin’ny Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires