• Cours de change
  • 5032.12 AR
  • |
  • $4519.35 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Aretin’ny fo : ireo fambara tokony hahamailo

15/05/2025 11:37 © Moov.Mg

Taova iray saropady ny fo. Indraindray nefa ireo fambara voalohany maneho fa mety marary na olana ara-pahasalamana ao amin’ny fo dia tsy tandrintsika na ataontsika tsirambina. Ny famantarana malaky ireo fambaran’ny aretin’ny fo nefa dia tena mety hanavotra aina. Araho eto ary ny santionany amin’ireo fambara mety maneho aretin’ny fo ka tokony hahamailo.

Misy manaintaina na manelingelina tsy mampahazo aina amin’ny tratra

Isan’ireo soritr’aretina matetika miseho amin’ny aretin’ny fo, toy ny rehefa manao « crise cardiaque », ny fahasapana misy marary na zavatra tsy mampahazo aina ao amin’ny tratra. Mety miovaova io zavatra tsy mampahazo aina io, mety hoe fahatsapana tery, mavaivay, mavesatra na manindrona. Mety maharitra minitra maro io fanaintainana io, misinda avy eo miverina indray. Mety mihitatra mankany amin’ny sandry, ny hatoka, ny valanorano, ny soroka ary ny lamosina moa izany. Eo amin’ny vehivavy mety malefaka kokoa ary tsy miparitaka amin’ny faritra maro io fanaintainana io.

Fahasemporana na fahatsapana tsy avy miaina tsy mahazatra

Fambaran’ny aretin’ny fo iray matetika miseho sy tokony hahamailo ny fahatsapana sempotra na tsy avy miaina tampoka, indrindra raha tsy nisy zavatra namizaka be natao. Mety miaraka miseho amin’ny fanaintainana ao amin’ny tratra izany na miseho irery. Matetika moa dia ny fahasahiranana na tsy fahafahan’ny fo mizara ara-dalàna ny rà no mahatonga io sempotsempotra na tsy avy miaina io. Izany moa mazàna dia fambaran’ny « crise cardiaque » na « insuffisance cardiaque ».

Ireo soritr’aretina hafa tsy tokony atao tsirambina

Ankoatra ireo famantarana roa lehibe voalaza ireo dia misy ihany koa ireo fambara hafa miseho mety manambara aretin’ny fo ka tsara arahi-maso. Anisan’izany ny :
-Hatsembohana be sy mangatsiaka izay tsy misy antony mazava nahatonga azy ;
-Maloiloy, mandoa na tsy mahalevon-kanina tsy mahazatra ;
-Harerahana be, fanimpanina ;
-Mitempo mafy sy haingana be ny fo ;
-Fahatsapana tebiteby na tahotra mafy.

Ahoana no raha mitranga ireo fambara ireo ?

Raha misy iray na maro amin’ireo fambara ireo mitranga dia mila manantona mpitsabo na toeram-pitsaboana avy hatrany mba hanaovana ny fizaham-pahasalamana sy hahazoana ny fandraisana an-tanana sahaza raha ilaina izany. Fadiana ny mitondra fiara satria mety hitera-doza izany raha sanatria manao « crise cardiaque » tampoka eny an-dalana.
Averina hatrany fa ny fanaintainana ao amin’ny tratra, tsy avy miaina tampoka miaraka amin’ny fambara toy ny hatsembohana mangatsiaka na maloiloy dia tsy azo atao tsirambina. Mampihena ny « risques » hampisy fahasarotana sy manavotra aina ny fandraisana an-tanana malaky ny aretin’ny fo.

Lire la suite

Articles Similaires