• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

29 may 1925 - 29 may 2025 : Feno 100 taona androany i Randja Zanamihoatra

29/05/2025 06:53 © Moov

Androany alakamisy 29 may no fahatsiarovana ny faha-100 taona nahaterahan'i Randja Zanamihoatra. Nanomboka ny 27 may lasa teo ny hetsika fankalazana karakarain'ny taranany sy ireo fikambanana poeta, eny amin'ny Tranombokim-pirenena Malagasy Anosy.

Hetsika maro samihafa no tanterahina mandritra ny fotoam-pankalazana, toy ny takalo, velakevitra, fifaninanana teatira poetika, fampirantiana ny sora-piainany.
"...Mandrera-tsaina ny mitia
manadala mampahia
tsy ahavitana izay atao
fa manjombon-dava izao
mahalasa ambiroa
mampirediredy koa…"

Sombin-tonokalon'i Randja Zanamihoatra
nalaina tamin'ny VAINAFO TONONKIRA tak 56

Iza moa i Randja Zanamihoatra ?

Randriamananjara Edmond no tena anaran'i Randja Zanamihoatra. Teraka tao ambositra ny 29 may 1925 ny tenany, ary nodimandry tamin'ny 11 jolay 1997. Ny hoe "Zanamihoatra" moa dia anarana firazanana, fiantsoana ireo avy eny Atsimondrano. Teny firariantsoa ny amin'ny hahavitan'ny zanaka tsara lavitra noho ny ray aman-dreniny rahateo izany.
Hatramin'ny fahakeliny dia efa nankafy namaky boky i Randja Zanamihoatra. Mpivaro-dandy no asa fivelomany. Nanao fanandroana, nandalina zava-miafina sy nianatra Soratra Masina ihany koa izy. Olona toa manana tsindrimandry izany izy, ka maro ireo tranga ho avy efa hitany mialoha. Efa nandindona azy ohatra ny nahafatesan'ny reniny, ka nanoratra tononkalo mihitsy izy.
"Fantatrao ny vita teto sy ny rakitra fihininy,
Nefa tano mba ho anao izay rehetra andinindininy
Aketraho ny tadinao, alao ny tohany hipika
Fa ny foko izao marisa ka hatory kely isika"

Nisedra ny mafy tokoa i Randja Zanamihoatra tamin'ny fiainana. Taorina kelin'ny mariaziny (1947) no nodimandry ny reniny, ary namoy ny zanany voalohany indray izy afaka herintaonan'io. Ny taona 1962 dia namoy ny zanany faralahy izy, raha ny taona 1964 no nindaosin'ny fahafatesana ny vadiny voalohany, Ravaosolo Jeannette. Maty indray koa ny vadiny faharoa tamin'ny taona 1979, noho ny lozam-pifamoivozana teny amin'ny lalana mankany Alaotra. Naharitra ela ny fitsaboana azy sy ny zanany teny amin'ny Hopitaly Befelatanana.

Randja Zanamihoatra sy ny tontolon'ny asa soratra

Nanomboka tany amin'ny taona 1944 i Randja Zanamihoatra no nanoratra tononkalo. Nanomboka tamin'ny 1946, fony izy tany Ankazomiriotra (andrefan'Antsirabe), no tena nifantohany tamin'ny asa soratra.
Anisan'ireo tena nahafantarana azy voalohany ny tononkalom-pitiavana "Manina". Saika tononkalo miresaka fitiavana moa no tena betsaka amin'ny asa sorany.
"Malala any am-pita ka mahamanina !
Ny sento azy ihany no mahafanina !
Nahoana ny saina no korontanina
Hanoatra hankaiza fa aleo mba mianina"

Indray nihira tamin'ny mpanoratra maro i Randja Zanamihoatra. Nalaza niaraka tamin-dry ED Andriamalala, Jean Verdi Salomon Razakandraina (Dox) sy Georges Andriamanantena (RADO) ny tenany. Tamin'ny taona 1958 moa dia nandrombaka ny amboara tamina fifaninanana poesia izy, noho ilay tononkalo "Tandindona sy rà".
Naneho manokana ny fitiavan-tanindrazana izy, tamin'ny fiarovany ny Soatoavina Malagasy. Tokony hahasarotiny mantsy ny teny sy ny fomba amam-panao. Anisan'ireo tononkalo tena hahafantaran'ny mpianatra maro azy ilay "Malagasy Mankany".
""Eny, ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be fivoarana !
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana !
Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny !
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny !"

Tsara ny manamarika fa nitendry zava-maneno vita Malagasy i Randja Zanamihoatra. Tsy inona izany fa ny Valiha.

Lire la suite

Articles Similaires