Manofy Bibilava : Mety misy ahiana ve ? Inona ny hafatra fonosiny ?
Misy dikany tokoa ny nofy ho an'ireo manaiky ny fisian'ny tontolo ara-panahy. Matetika dia natao handraisana hafatra izany, izany hoe fanehoana ny zavatra ho avy na fanazavana ny zava-miafin'ny lasa, izay tsy voazavan'olombelona. Raha manofy bibilava àry, inona no mety ho anton'izany sy ny hafatra raketiny ?
Ho an'ireo mpandala fomban-drazana sy manana traikefa amin'ny tontolo ara-panahy, arakaraka ny lokon'ny bibilava na ny endriny na ny toetrany hita ao anaty nofy ny hevitra fonosiny. Amin'ny ankapobeny nefa, rehefa manofy bibilava ny olona iray dia midika izany fa manakaiky ny fahavalo, izany hoe misy olona mikendry hanao ratsy na hamorika.
Bibilava miloko mainty sady ratsy tarehy
Manambara izany fa misy olona akaiky mikendry hanisy ratsy. Eo am-piketrahana ratsy ilay fahavalo, ka mety hamorika mba hamotika fiainana, hamparary na hanala ny aina mihitsy aza. Raha toa ka miaraka amina biby hafa toy ny saka na gidro ilay bibilava, midika izany fa misy olona mamosavy.
Bibilava mazava loko sady tsara tarehy
Midika izany fa misy olona mpiatsaravelatsihy izay akaiky tokoa. Maneho fitiavana sy fahatsorana ilay olona, mety manampy hatrany, nefa manana tetidratsy ambadika.
Bibilava manaraka ao aoriana
Raha manofy hoe misy bibilava manaraka hatrany amin'izay aleha rehetra, mila mitandrina satria misy fahavalo manaraka izany. Mitsikilo sy manara-maso ilay mikasa hanao ratsy, mba hahamora ny fanapotehana na ny fandratrana ataony. Mahafantatra toro maro mikasika ny tena io fahavalo io.
Bibilava matory eo akaiky
Raha sanatria manofy matory eo akaikina bibilava, midika izany fa nisy tsiambaratelo voalaza tamin'ilay fahavalo. Efa mahalala zavatra maro mikasika ny tena izany ilay olona.
Mamono bibilava na bibilava maty
Raha toa ka manofy mamono bibilava indray, na bibilava maty, manambara izany fa ho resy ny fahavalo, na inona na inona tetik'adiny.
Tsy natao hanendrikendrehana olona na hitokana-monina akory ny fanofisana bibilava. Raha sendra misy izany nofy izany, mila hamafisina ny fitandremana. Tsara ihany koa raha fidifidiana ireo olona hizarana tsiambaratelo.