• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Maspatule
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « gaufres » tsy mampiasa « gaufrier »

03/06/2025 16:48 © Moov.Mg

Isan’ireo tsakitsaky tian’ny ankizy ny « gaufres ». Azo lazaina ho mora karakaraina moa izy ireny fa ny sakana mahatonga ny sasany tsy manamboatra azy ny tsy fananana « gaufrier » na ilay milina manokana fandrahoana azy. Atoro eto ary ny fomba tsotra fanaovana « gaufres » tsy mila mampiasa « gaufrier » ao an-trano.

Ireo akora ampiasaina hanamboarana ny « pâte à gaufres »

-Lafarina 250g ;
-Atody 2 ;
-Siramamy 40g ;
-Ronono 50sl ;
-Dibera natsonika 60g ;
-Levure chimique 1 fonosana ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Arotsaka ao anaty saladier ny lafarina, ny siramamy, ny tamenak’atody, ny levure ary ny dibera natsonika. Somary afangaro kely izy rehetra alohan’ny handrotsahana ny ronono.
Kapohana anaty saladier miaraka amin’ny sira iray tsongo ny tapotsin’atody. Rehefa mihafotsy dia arotsaka ao anatin’ilay fangaro voalohany teo. Aroharoana moramora hifangaro tsara ireo akora rehetra.
Avela hipetraka mandritra ny 30 minitra mba hahazoana « gaufres » malefaka tsara.
Ny fomba fandrahoana ny « gaufres » raha tsy misy « gaufrier »

Mampiasa lapoaly

Lapoaly « antiadhésive » na tsy mampiraikitra no ampiasaina. Ataingina ambony afo antonony ny lapoaly nasiana dibera na menaka kely. Rehefa mafana dia araraka ao ny « pâte à gaufres » iray sotrobe jobo. Endasina 2 na 3 minitra avy ny lafiny roa. Mety tsy hahazo endrika « gaufres » moa izy ity rehefa masaka fa ny tsiro kosa dia mitovy tsara.

Mampiasa lafaoro

Fomba iray hafa afaka handrahoina ny « gaufres » raha tsy manana « gaufrier » ny fampiasana lafaoro. « Moule à gaufres en silicone » izay mahazaka lafaoro kosa no ampiasaina. Araraka ao anatin’ny « moule » ny paty ary andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 201°C mandritra ny 10 na 12 minitra. Rehefa masaka dia esorina tao anatin’ny « moule » ary averina apetraka aingana eo ambonin’ny « grill du fou » mba hahazo loko sy somary hikarepoka.

Lire la suite

Articles Similaires