• Cours de change
  • 5085.59 AR
  • |
  • $4470.78 AR
Copyright Image : © Pn
Image
Vaovao

Ikotofetsy sy Imahakà : Tra-tehaka ireo mpisoloky amin'ny Varotra fiara

09/06/2025 15:54 © Moov

Roalahy no voasambotra noho ny fisolokiana amin'ny alalan'ny fivarotana fiara.

Manao ranty amina vondrona fivarotana sy fividianana fiara izy mirahalahy ireto. Maromaro mihitsy ny sary avoaka isaky ny fiara, ary ataony mirary na "varoboba" mihitsy ny vidiny. Milaza nefa ilay mpivarotra avy eo fa tsy eto Antananarivo fa any Ambohimandroso Antsirabe, any Manjakandriana na koa any Ankazobe. Eo indrindra no roboka ny mpividy, te hahazo Ilay entana mora, ka na mandefa solon-tsolika hiakaran'ilay mpivarotra eto an-drenivohitra, na mandefa vodiondrim-barotra mihitsy aza. Tsy misy akory moa ny fiara aranty, satria ataon'ilay mpivarotra fotsiny izay hahazoam-bola.

Ela nitoratorahana

Rehefa azon'ilay mpivarotra ny vola, tapahiny avy hatrany ilay laharam-pifandraisana na ataony "bloqué" amin'ny tambazotra Facebook. Efa maro tokoa ireo olona tratran'ny fisolokiana nataon'izy roalahy, indrindra moa ireo mbola tsy dia mahay vidina fiara efa niasa. Efa nisy ihany koa nefa ireo matihanina voasoloky, noho ny fiheverana fa "kitapo latsaka" na "mila vola maika" ilay fiara. Mazava ho azy, naharay fitarainana misimisy ny Polisy, ka ny SUT eny Tsaralalana no niandraikitra ny famotorana.

Varotra an'habaka

Tsy ny Varotra fiara ihany no misy mpisoloky toy izao. Marobe ireo mody manao "vente en ligne" nefa hisoloky no tena tanjona. Nalaza tokoa tao anatin'ny volana maromaro ny fisiana pejy mivarotra finday mora dia mora, nefa rehefa tsy misy akory ilay toeram-pivarotana rehefa tsidihina mivantana. Azo antoka izany fa ireo olona te hanafatra entana nefa any amin'ny faritra no kendren'ilay mpisoloky.

Entanina àry ireo mampiasa tambazotran-tserasera mba samy ho mailo. Raha samy eto Antananarivo ihany, tsara raha ty sy nday no atao, izany hoe ny entana hita maso ihany aloha vola. Ho an'ireo any amin'ny faritany kosa, aleo pejy azo antoka ihany no ividianana zavatra. Efa miha-maro ihany koa ireo tranokala manara-penitra izay mandefa entana manerana ny Nosy.


Copyright Image : © PN

Lire la suite

Articles Similaires