• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Aurel Clyde
Image
Vaovao

Finoana : Andalam-panatanterahana ny fandikana ny baiboly amin’ny fiteny miisa 9 eto Madagasikara

12/06/2025 16:40 © Moov

Mitohy ny asa fandikana ny baiboly amin’ny fitenim-paritra eto Madagasikara. Nasain’ny Akademia Malagasy hanatanteraka velan-kevitra momba izany asa izany ny mpandika teny ao amin’ny FJKM Zoara Fanantenana Ambohipo, omaly. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy izany.

Fitenim-paritra miisa 9 efa mandeha

Miisa telo ireo faritra efa manana boky manakaiky ny fomba fitenin’izy ireo ka nampahafantarina bebe kokoa omaly. Ao anatin’izany ny Betsileo, Sihanaka ary ny Tsimihety. Marihina moa fa ireo ao amin’ny FJKM Ambohipo ireo no manatanteraka izany. Hanampy ireo dia efa andalam-panatanterahana ny fandikana ny baiboly amin’ny fiteny miisa 9 hafa. Ahitana ny Zafisoro, Betsimisaraka Avaratra, Betsimisaraka Atsimo, Antambahoaka, Antefasy, Antanala, Mahafaly, Antesaka ary Antemoro. Nanamarika ireo avy ao amin’ny mpandika teny fa andalam-panamafisana ireo asa ireo ary tsy maintsy hahazo ny anjarany avokoa ny Malagasy.
Tsara moa ny manamarika fa voadika avy amin’ny fiteniny avokoa, manomboka amin’ny Genesisy hatramin’ny Apokalipsy, izany hoe ny Testamenta roa samihafa. Literatiora goavana izy io, ary indrindra manamarika ny fahamaroan’ny fiteny eto Madagasikara, ka antony hampiroboroboana azy.

« Vontosy filazan-tsara i Madagasikara »

Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Fiangonana FJKM amin’izao fotoana izao, dia ny hoe « Vontosy filazan-tsara i Madagasikara » ny famadihana ny baiboly ho amin’ny fitenim-paritra samihafa. Haparitaka manerana ny Nosy araka izany izy ireo mba hahafahan’ny mpino mandray ny hafatra entiny. « Zava-dehibe ny fandikana baiboly amin’ny fitenim-paritra hahafahan’ny rehetra mandray ny hafatra masina amin’ny alalan’ny tenin-drazany. Sarotra ho an’ny olona sasany mantsy ny mandray ny hafatra noho ny fahasarotan’ny fiteny ampiasain’ny baiboly », hoy i Ralinoro Nirina Harivelo, mpandika baiboly amin’ny fiteny Betsileo.
Isan’ny mety hampazoto ny mpino hamaky baiboly ihany koa, raha ny fanazavana ny fananany izany, voasoratra amin’ny fiteny manakaiky ny fony. « Izany rehetra izany no natao mba hamonjena fanahy maro », hoy hatrany ny fanazavana.

Lire la suite

Articles Similaires