• Cours de change
  • 5091.06 AR
  • |
  • $4425.69 AR
Copyright Image : © Chu Hjra
Image
Vaovao

Fanapoizinana ara-tsakafo : Mpamonjy fety am-polony no namoy ny ainy

16/06/2025 13:41 © Moov

Maherin'ny 10 ireo nindaosin'ny fahafatesana tamin'ireo tanora voapoizina ara-tsakafo.

Ny faran'ny herinandro teo, vory lanona ny tanora mpianatry ny sekoly Ambaratonga Ambony iray, noho ny fankalazana tsingerintaona nahaterahana. Indrisy nefa, tsy vita akory ny lanonana dia efa maromaro ireo nahiditra hopitaly.

Tranga mampivarahontsana

Efa nisy ireo namoy ny ainy teny an-dalana ho any amin'ny toeram-pitsaboana. Nisy kosa ireo nahazo fitsaboana saingy tsy avotra. Misy amin'ireo ray aman-dreny aza no namoy ny efatra be izao. Anisan'ireo ray aman-dreny namoy anaka moa ny Coach Titi Rasoanaivo, mpanazatra baolina kitra kalaza. Namoy ny ainy ihany koa ilay tompona trano filanonana nandraisana ny fety teny Ambohimalaza, satria nanandrana ireo sakafo sady voaasa rahateo. Voalaza fa nitondra ireo sakafo nohanina nandritra ny lanonana ireo mpifety. Na izany aza, miroso amin'ny fizahana ny lakozia ireo tompon'andraikitra avy ao amin'ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC).
Mbola maro ireo manaraka fitsaboana, izay saika eny amin'ny HJRA, ka misy mihitsy ireo miady amin'ny fahafatesana. 40 eo ho eo mbola tsaboina, ka am-polony ireo misedra fahasarotana. Tsara ny manamarika fa voan'ny fanapoizinana ara-tsakafo avokoa ireo voaasa miisa teo ho eo amin'ny 50. Tafiditra ao anatin'izany ihany koa ny tompom-pety. Nisy olona 3 tsy naninona kosa nefa, satria tsy dia nihinana karazan-tsakafo maro. Misy havan'ireo olona ireo mbola tsaboina eny amin'ny toeram-pitsaboana. Marihana moa fa nisy nitondra sakafo nody ireo tanora nasaina, ka nampidi-doza ny tany an-tranony.
Nanomboka ny alin'ny fety, ny sabotsy alina, no nanomboka nisy nanantona ny HJRA. Nisy kosa ny tsy niditra hopitaly raha tsy ny alahady. Ho an'i Lovasoa Gasikara, ny alahady avy niangona ireo havany vao nanomboka tsy salama. Namoy ny ainy ny mpiray tampo aminy sy ny zanak'io mpiray tampo aminy io, ary mbola manaraka fitsaboana etsy amin'ny HJRA ny havany hafa.

Fanamafisana ny fahamailoana

Misokatra ny fanadihadihana mikasika izao raharaha izao. Azo antoka fa tsy ho afa-bela ireo tompon'andraikitra tamin'ny fikarakarana ny sakafo izay nahatonga izao voina izao. "Manana andraikitra manandrana ny sakafo aroso olona tokoa mantsy ny mpikarakara", araka ny nambaran'ny zandarimarian'Antananarivo. Heverina fa mahery vaika ny bakteria tamin'ny sakafo ka maro ireo vetivety dia reraka. Saika nitaraina fanina sy tsy mahita ireo tsy maintsy nentina namonjy toeram-pitsaboana. Amin'ireo 11 maty, 9 no nodimandry tao amin'ny HJRA raha 2 no maty tany ivelany.
Entanina àry ireo rehetra miasa eo amin'ny sehatra fanaovana lakozia mba hitandrina tsara, indrindra hanamarina ny kalitaon'ny sakafo aroso. Mety mahatonga loza mantsy na dia ny tsy fanajana ny fitehirizana sakafo fotsiny aza. Tena ilaina ihany koa ny manaja ny fahadiovana, na dia iaraha-mahalala aza fa tsy mora ny mikarakara sakafo ho an'olona maro.

Lire la suite

Articles Similaires