Fahapoizinana ara-tsakafo ao Toamasina : "Godrogodro" no nahatonga ny loza
6 hatreto ireo manaraka fitsaboana noho ny fahapoizinana ara-tsakafo miseho ao Atsinanana. Namoaka fanambarana ofisialy mikasika izany indrindra ny CHU Analankininina Toamasina.
Ny Hopitalibe Toamasina dia mampandre ny vahoaka fa nisy tranga niarahan’ny olona maromaro tratran’ny aretina vokatry ny fahapoizinana ara-tsakafo (Toxi-Infection Alimentaire Collective/ TIAC) tamin’ny alina omaly, taorian’ny fihinanana "godrogodro amin’ny sokola".
Fandraisana an-tanana ireo marary
Olona enina avy amin’ny fianakaviana iray ihany, ahitana olondehibe efatra sy ankizy roa, no nentina haingana tao amin’ny sampana vonjy taitra teto amin’ny hopitaly, taorian’ny fisehoan’ny soritr’aretina toy ny hoe : reraka be, fivalanana, fanina, sy fangatsiahana.
Nomena fitsaboana maimaimpoana avy hatrany izy ireo. Amin’izao fotoana izao dia tsara ny fahasalamany, ary afaka mody an-trano raha tsy misy olana na fahasarotana hafa.
Fisokafan'ny fanadihadihana
Nisy mpanara-maso avy amin’ny "Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires" (ACSQDA) tonga nijery sy nanao fanadihadiana ara-pahasalamana androany maraina mikasika ity tranga ity.
Manentana hatrany, ny Fitaleavam-paritry ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, ny olom-pirenena rehetra mba hitandrina amin’ny fikarakarana sy fitehirizana sakafo, indrindra ireo sakafo atao an-trano, mba hisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo. Tsy maintsy mitandrina isika rehetra amin’ny fahadiovan’ny sakafo hanina isan’andro.
Mirary fahasitranana haingana sy feno ho an’ireo marary voakasika. Enga anie hamerina haingana ny hery sy fahasalamana mba hahafahan’izy ireo miverina amin’ny fiainana andavanandro miaraka amin’ny havany.