Te hiala amin’ny fihinanana siramamy : ireo fomba mandaitra havitana izany
Efa noresahana ombieny ny vokadratsin’ny fihinanana siramamy eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Maro ireo efa nahavita niala siramamy tanteraka. Misy ihany koa nefa ireo maniry ny tsy hihinana azy io intsony nefa dia tsy mahavita. Araho eto ary ny torohevitra manampy raha te hiala amin’ny fihinanana siramamy.
Ferana arak’izay azo atao ny fihinanana sakafo voahodina
Ny famerana arak’izay azo atao ny fihinanana ireo sakafo voahodina no fomba voalohany hamerana ny fihinanana siramamy. Anisan’ireny sakafo ireny moa ireo vokatra avy amin’ny indostria toy ny biscuits, yaourts, mofomamy, vatomamy… Ireo karazana sakafo ireo dia mitahiry siramamy betsaka, sira sy menaka. Mba hahamora ny fialana siramamy dia ferana tanteraka ny fihinanana azy ireny. Sakafo tsy voahodina no tsara hoanina isan’andro.
Ny sakafo amboarina ao an-trano ihany no hoanina
Mba hialana tanteraka amin’ny fihinanana siramamy dia ny sakafo amboarina ao an-trano ihany no tsara hoanina. Izany dia mba hahafahana mamantra mazava ireo akora ampiasaina sy ireo fatran’izy ireny. Raha tsy manana fotoana dia afaka asolo zava-mamy hafa ny siramamy. Raha te hihinana yaourt mamy ohatra dia yaourt nature no vidiana ary asiana voankazo mamy ao anatiny. Ao atakalo sakafo manome tsiro hafa hanadinoina ny tsiro mamy ihany koa ny siramamy. Anisan’izany ny kanelina, hoditra voasary makirana voakiky, ravina voasary…
Ahena ny zava-pisotro mamy
Amin’ny ankapobeny, ny zava-pisotro mamy dia mitahiry siramamy 28g ao anatin’ny 33sl, izany hoe ny antsasaky ny fatra tokony hoanina isan’andro araky ny nambaran’ny OMS. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana dia zava-pisotro mamy 1 vera isan’andro fara fahabeny no azo sotroina. Raha azo atao nefa dia rano tsotra, dite na ranom-boankazo tsy misy siramamy no tsara sotroina.
Mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja
Mba hisorohana ny fitsakotsakoana antenan-tenam-potoana sy ny faniriana te hihinana zava-mamy dia ilaina ny mihinana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja. Ireto farany dia mitondra ny otrikaina sy ireo singa ilain’ny vatana rehetra. Ireo sakafo mahavoky sy mahasalama, toy ny voankazo, ny legioma, ny voamaina… no tena mety. Tsy adinoina ireo sakafo mitondra proteina toy ny hena, ny vokatra avy amin’ny ronono…