Famosaviana teny Ambohimalaza : Fianakaviana akaiky no nahavanon-doza
Herinandro mainty. Izay no azo ilazana ity herinandro ity satria marobe ireo marary sy namoy ny ainy noho ny fahapoizinana ara-tsakafo tsy nahy na niniana natao.
Niatrika fampanoavana ny takariva teo ireo olona voarohirohy tamin'ilay raharaha famosaviana teny Ambohimalaza Imerikasinina. Tafakatra 51 moa ireo notsaboina, ka 18 ireo namoy ny ainy, raha ny antontan'isa teny amin'ny HJRA fotsiny no jerena. Miisa 8, 2 lehilahy ary 6 vehivavy, ireo niatrika ny mpitsara mpanao famotorana. Fantatra àry fa fianakavian'ilay tompom-pety ihany no nahavanon-doza. Tsy voaasa akory ireo atidoha nikotrika, saingy efa nanana teti-dratsy ka tonga fotsiny. Nisy tsy tonga nanatrika mihitsy, saingy niray tsikombakomba. Niezaka nandà ny sasany tamin'ireo voapanga nandritra ny fakana am-bavany, saingy nisy ny fitsirihana natao tamin'ny somaiso sy ny hafatra miafina tamin'ny tambazotran-tserasera. Nisy ihany koa ny fijerena ny "Caméra de surveillance" tamin'ilay Toeram-pilanonana.
Disadisam-pianakaviana izany no nahatonga ny fanapoizinana. Marobe nefa ireo tsy manan-tsiny niharan-doza noho izany. Nampidirina am-ponja vonjimaika ny 3 tamin'ireo voarohirohy ireo. Arahi-maso ara-pitsarana kosa ny 5 ambiny, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Mazava ho azy, mbola mitohy hatrany ny fanadihadihana lalina mikasika izao raharaha izao.
Ireo olona 3 tena ahiahiana
-Zaobavin'ny tompona anniversaire, izay vadin'ny mpilalao baolina kitra malaza monina eny Ambohimirary. Voalaza fa misy disadisa sy tsy fifankahazoana teo aminy sy ny tompon'ny fanasana
-Vehivavy iray hafa izay "cousine" n'ilay tompona anniversaire. Tsy mifankahazo tamin'ilay tovovavy tompona tsingerintaona ihany koa izy io
-Ombiasa ny iray fahatelo, tompon'ny ody mahery nampiasain'ity cousine-ny ity , izay nakana ilay poizina mahery vaika.