Résultats CEPE 2025 : 85,91% ny taham-pahafahana ho an'Antananarivo Renivohitra
Nivoaka izao hariva izao, 23 jona, ny valim-panadinana CEPE 2025 ho an'ireo mpiadin'ny CISCO Tanà-Ville.
Ny zoma 20 jona lasa teo no efa nanomboka nivoaka ny valim-panadinana CEPE 2025. Ireo CISCO Manandriana, Anjozorobe, Ambatolampy, Andramasina, Manjakandriana sy Ambositra no nisitraka voalohany izany vokatra izany.
Valim-panadinana CEPE Tana-Ville
Herinandro latsaka kely taorian'ny CEPE 2025 vao azo ny vokatra. Nisy fihenana moa ny isan'ny mpitsara fanadinana, ka izany no nahatonga ny fahatarana kely. Ny an'Antananarivo Avaradrano moa dia efa nivaly ny alin'ny sabotsy 21 jona. Ny alahady 22 jona kosa no naharaisana valim-panadinana ny CISCO Atsimondrano.
Na somary ela aza ny fiandrasana, tsara ny vokatra. 85,91% ny taham-pahafahana.
Fitaintainana nandritra ny fiandrasana ny vokatra
"Efa hatramin'ny sabotsy hariva no nisy ray aman-dreny maromaro mijerijery sao misy peta-drindrina Résultats CEPE 2025 teto", hoy ny mpiambina eny amin'ny EPP Analakely. Mbola maro tokoa ireo ray aman-dreny niandry peta-drindrina na dia efa eo aza ny tolotra isan-karazany sitrahina noho ny fandrosoan'ny Teknokojia. Ny ankamaroan'ireo ray aman-dreny kosa nefa dia nandefa somaiso na nijery ny vokatra tamin'ny tranokalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Raha ny vokatra isaky ny CISCO no jerena, azo heverina fa tsy latsaky ny 80% ny taham-pahafahana fanadinana ankapobeny. Tena tsara araka izany ny voka-panadinam-panjakana voalohany tamin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Hatreto aloha, i Morombe no nahitana ny taham-pahafahana ambony indrindra : 98,07%.